bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 19
2 Chronicles 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
1
Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Jôsafata mpanjakan’i Joda.
2
Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.
3
Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin’ny taninao ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sady naronanao ny fonao hitady an’Andriamanitra.
4
Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata; ary nandeha hitety vahoaka indray izy hatrany Beera-Seba ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, ary nampiverina azy ho amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
5
Nanendreny mpitsara tamin’ny isan-tanànamimanda eran’ny tanin’i Joda
6
sady nohafatrafarany hoe: –Tandremo izay hataonareo, satria tsy araka ny olona fa araka ny TOMPO no hitsaranareo; sady ny Tompo mihitsy no hiaraka aminareo rehefa mitsara ianareo.
7
Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO! Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia heloka na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.
8
Tao Jerosalema koa dia nanendren’i Jôsafata ny sasany tamin’ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin’ny mponina tao an-tanàna.
9
Dia nomeny baiko ireo ka nilazany hoe: –Izao no hataonareo noho ny fanajana ny TOMPO araka ny toetra mahatoky sy ny hitsimpo.
10
Na inona na inona ady avy amin’ny mpiray firenena, any amin’ny tanàna fonenany any momba ny vonoan’olona na momba ny lalàna sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy; dia tsy ho meloka amin’ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
11
Ary indro i Amarià mpisorombe no ho lehibenareo amin’ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadià, zanakalahin’i Jismahela sady mpifehy ny taranak’i Joda, no ho lehibenareo amin’ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no ho mpitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà, ary ny TOMPO anie hiaraka amin’izay manao ny tsara!
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36