bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 9
2 Chronicles 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 10 →
1
Nahare ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sebà, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin’ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin’i Salômôna ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
2
Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka ireny fa nanomezany valinteny avokoa.
3
Ary rehefa samy hitan’ny mpanjakavavin’i Sebà ny fahendren’i Salômôna sy ny trano izay naoriny,
4
ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an- tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
5
ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: –Marina avokoa izay resaka reko tany amin’ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filàzan’olona aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory; indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7
Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8
Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.
9
Dia nomen’ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka; tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen’ny mpanjakavavin’i Sebà o an’i Salômôna.
10
Ankoatra izany, ny tantsambon’i Hirama sy ny tantsambon’i Salômôna, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa.
11
Ny hazo sarobidy dia nanaovan’i Salômôna gorodona ho an’ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira; ka tsy mbola nisy hita toy izany taloha teo amin’ny tamin’i Joda.
12
Tetsy andanin’izany kosa dia nomen’i Salômôna mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sebà avokoa izay rehetra nirîny ka nangatahiny; ary nihoatra lavitra noho izay nentiny ho an’ny mpanjaka izany. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin’ny taniny.
13
Ny lanjam-bolamena tonga tao amin’i Salômôna, tanatin’ny taona iray monja, dia nahatratra roapolo taonina,
14
ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra mbamin’ireo governoran’ny tany ho an’i Salômôna.
15
Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.
16
Dia nampamboatra ampinga kely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena telo kilao avy no nilaina isan’ampinga. Ary napetran’ny mpanjaka tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano » ireo.
17
Dia nampamboatra sezafiandrianana lehibe koa izy, dia sezafiandrianana izay voaravaka ivoara sady nopetahana takela-bolamena madio.
18
Nisy zanatohatra enina tamin’io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin’ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan’ny fitehenan-tanana;
19
ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin’ny zanatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.
20
Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano.» Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.
21
Fa ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay notarihin’ireo tantsambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo volana ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.
22
I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena.
23
Nitady hahita azy avokoa ireo mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.
24
Ka isan-taona dia samy tonga nitondra fanomezana avy izy rehetra: dia kojakoja volafotsy sy volamena ary koa fitafiana sy fiadiana mbamin’ny zava-manitra sy soavaly na ramole.
25
Nanana efitrano efatra arivo i Salômôna mba ho fitoeran-tsoavaly aman-kalesy; nisy 12 000 ireo soavaly fitaingina, ka nisy natobiny tany amin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo akaikiny tao Jerosalema.
26
Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.
27
Nataon’ny mpanjaka toy ny vato ny habetsaky ny volafotsy tao Jerosalema, ary nataony toy ny aviavy any amin’ny lemak’i Sefelà ny hamaroan’ny hazo sedera.
28
Ny soavalin’i Salômôna kosa dia avy any Ejipta na avy any amin’ny tany hafa.
29
Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ireo boky milohateny hoe Asan’i Natàna mpaminany sy Faminanian’i Ahià avy any Silao ary Fahitàn’i Hidao. –Ity boky farany ity dia mitantara ny amin’i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata–.
30
I Salômôna dia nanjaka efapolo taona tao Jerosalema tamin’i Israely manontolo.
31
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina teo anilan-drainy, tao an- Tanànan’i Davida; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36