bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 12
2 Chronicles 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
1
Rehefa nampandry ny fanjakany sady nanamafy fahefana i Rehabohama, dia nandao ny lalànan’ny TOMPO na ny tenany na ny Israelita rehetra tatsimo.
2
Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehabohama dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema, satria nivadika tamin’ny TOMPO ireo mponina tao.
3
Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.
4
Dia azony ny tanànamimanda eran’i Joda, ka tonga hatrany Jerosalema izy.
5
Noho ny fiavian’i Sisàka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr’i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahià mpaminany ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan’i Sisàka.»
6
Dia niaiky hadisoana ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny Israelita tatsimo ka nanao hoe: –Rariny ny an’ny TOMPO!
7
Ary nony hitan’ny TOMPO izany fiekena hadisoana izany, dia nisy indray tenin’ny TOMPO tamin’i Semahià nanao hoe: –Efa niaiky hadisoana ireo, ka tsy handringana azy Aho fa tsy ho ela dia hanafaka azy; ary ny fahatezerako tsy hatosako amin’i Jerosalema avy amin’ny famelezan’i Sisàka.
8
Kanefa hilefitra hanompo an’i Sisàka ihany izy ireo, mba hahafantarany fa tsy mitovy ny manompo Ahy sy ny manompo ireo mpanjakan’ny tany vahiny.
9
Dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema ka namabo ny raki-tsoa tao an- tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra izay nataon’i Salômôna.
10
Ho solon’ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben’ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran’ny lapan’ny mpanjaka, no nanankinany azy.
11
Ary na oviana na oviana nidiran’ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO, dia tonga ny mpiambina naka ireo ampinga ireo, ka avy eo namerina azy ho ao an’efitranon’ny mpiambina indray.
12
Niaiky hadisoana kosa i Rehabohama, ka niala taminy ny fahatezeran’ny TOMPO mba tsy hahalany ringana azy; sady mbola nisy hatsaram-panahy ihany tao Joda.
13
I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita.
14
Ary nanao ratsy i Rehabohama, satria tsy nampifantoka ny fony hitady ny TOMPO.
15
Ny tantaran’i Rehabohama, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Semahià mpaminany sy i Hidao mpahita sady voavisavisa tsara. Ary niady mandrakariva i Rehabohama sy i Jerôbohama.
16
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Rehabohama, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida; ary i Abià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36