bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 7
2 Chronicles 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 8 →
1
Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.
2
Ary tsy afa-niditra tao an- tranon’ny TOMPO ireo mpisorona, satria feno ny voninahitry ny TOMPO izany.
3
Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».
4
Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia nanao sorona teo anatrehan’ny TOMPO.
5
Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra.
6
Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.
7
Tamin’izay no nanokanan’i Salômôna ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran’ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin’i Salômôna manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sabora.
8
Fito andro no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta.
9
Tamin’ny andro fahavalo no nanaovan’izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin’ny Tranotomboka.
10
Ary nony andro faha-23 tamin’ny volana fahafito dia nalefan’i Salômôna hody any an-tranony avy ny olona; ary faly sy ravoravo ireo noho ny soa nataon’ny TOMPO tamin’i Davida sy tamin’i Salômôna ary tamin’i Israely vahoakany.
11
Rehefa vitan’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy hotontosaina tao an- tranon’ny TOMPO sy tao an-dapany,
12
dia nisehon’i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran- tsorona ho Ahy ity toerana ity.
13
Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako;
14
kanefa raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an- danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.
15
Ankehitriny no ijeren’ny masoko ary ihainoan’ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin’ity toerana ity.
16
Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran’ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.
17
Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,
18
dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an’i Israely.»
19
Nefa kosa raha mivily ianareo ka mandao ny lalàna sy ny didy izay napetrako teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
20
dia hongotako ianareo tsy amin’ny taniko izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana ny anarako ity. Amin’izay ianareo Israelita dia hataoko fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.
21
Na dia avobe aza ity tempoly ity, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo azy ka hanontany hoe: «Nahoana no dia nataon’ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?»
22
Ary hisy olona hamaly hoe: «Satria nilaozan’ny Israelita ny Tompo Andriamanitry ny razany, dia Ilay nitondra azy niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin’andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan’ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.»
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36