bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 17
2 Chronicles 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
1
I Jôsafata, zanakalahin’i Asà, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan’ny fanjakàn’i Israely izy.
2
Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy.
3
Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala.
4
Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra.
5
Koa nohamafisin’ny TOMPO ny fahefàm-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an’i Jôsafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy.
6
Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.
7
Tamin’ny taona fahatelo nanjakàn’i Jôsafata dia nisy manampahefana nirahiny mba hampianatra tany amin’ny tanànan’i Joda, dia i Beny-Haîla sy i Hôbadià, i Zakarià sy i Natanaela ary i Mikaià.
8
Nisy koa levita niaraka tamin’ireo, dia i Semahià sy i Netanià, i Zebadià sy i Hasahela, i Semiramôta sy i Jônatàna ary i Adônià sy i Tôbià; ary tafaraka taminy koa i Elisamà sy i Jôrama mpisorona.
9
Nampianatra eran’i Joda ireo; fa sady nitondra ny bokin’ny lalànan’ny TOMPO izy no nitety ny tanàna rehetra tany Joda, ka nampianatra ny olona.
10
Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo.
11
Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.
12
Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.
13
Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.
14
Nalamina araka ny fianakaviany avy ireo, ka ny mpifehy vondro-miaramila avy tamin’ny fokon’i Joda dia ireto: i Hadnà no mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany telonjato;
15
nanarakaraka azy dia i Jôhanàna mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany 280;
16
ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato.
17
Ny mpifehy vondro-miaramila avy tamin’ny fokon’i Benjamîna kosa dia ireto: i Eliadà, lehilahy maherifo, no mpifehy miaramila nisy andiany roanjato samy mpirongo tsipîka sy ampinga;
18
ary nanarakaraka azy dia i Jôzabada, izay mpifehy miaramila nisy andiany 180 samy ary fiadiana.
19
Ireo no vondro-miaramila nivonon-kanompo ny mpanjaka, ankoatra izay napetrany tany amin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda manontolo.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36