bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 24
2 Chronicles 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
1
Feno fito taona i Jôasy fony tonga mpanjaka; ary naharitra efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibià, avy any Beera-Sebà.
2
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôasy tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà mpisorona.
3
Ary nangalan’i Jôiadà vady roa i Jôasy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy taminy.
4
Taorian’izany kosa no mby tao am-pon’i Jôasy ny hanamboatra ny tranon’ny TOMPO.
5
Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.
6
Koa nampanantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorombe ary nataony hoe: «Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran’ny levita ny hetra avy tamin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema, araka ny didin’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekempihavanana io hetra io,
7
satria i Hatalià, ilay vehivavy ratsy fanahy, sy ireo mpomba azy efa nandrava ny tranon’Andriamanitra; ary ny fanaka masina rehetra tao an-tranon’ny TOMPO koa dia efa nampiasainy hanompoana an’ireo Bahala.»
8
Dia nasain’ny mpanjaka nanao vata anankiray fandatsahan-drakitra ny olona mba hapetraka eo ivelan’ny vavahadin’ny tranon’ny TOMPO.
9
Ary nandefasan-teny eran’i Joda sy i Jerosalema mba haterina ho an’ny TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra hoefain’ny Israelita fony izy tany an-taniefitra.
10
Dia faly avokoa ny manampahefana sy ny vahoaka nitondra ny anjarany ary nandatsaka izany tao amin’ny vata mandra-pahafenony.
11
Nisy ny fotoana fitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny mpanaramaso voatendrin’ny mpanjaka; ka rehefa hitan’io mpiandraikitra io fa be ny vola tao anaty vata, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny tonia voatendrin’ny mpisorombe manaisotra izay vola rehetra ao, ary namerina indray ny vata eo amin’ny toerany. Toy izany no natao isan’andro isan’andro, ka vola betsaka no voavory.
12
Dia natolotry ny mpanjaka sy i Jôiadà ho an’izay nisahana ny raharaha momba ny tranon’ny TOMPO izany vola izany, ka nanakaramany mpipai-bato sy mpandrafitra ary koa mpanefy vy sy halimo mba hanamboarana sy hanamafisana ny tranon’ny TOMPO.
13
Dia nikatroka ny mpiasa, ka nandroso tsara ny asa nataony; ary namboariny ho toy ny teo aloha sady nohamafisiny ny tranon’Andriamanitra.
14
Nony vitan’ireto mpisahana azy izany asa izany, dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia fanaka hanatontosana fanompoam-pivavahana sy hanoloran- tsorona, tsatokaty ary fanaka hafa volamena sy volafotsy. Ary nandritra ny andro rehetra niainan’i Jôiadà dia nisy mandrakariva sorona dorana manontolo natolotra tao an-tranon’ny TOMPO.
15
Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany.
16
Dia tao an- Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka nodimandry izy no nalevina satria nanao soa teo amin’i Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tempoliny.
17
Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka,
18
hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.
19
Ary nanirahany mpaminany izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy.
20
Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »
21
Dia nanao teti-dratsy nanohitra an’i Zakarià ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, araka ny baikon’ny mpanjaka.
22
Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!»
23
Tamin’ny lohataona manaraka izany, dia avy ny tafika sirianina hiady tamin’i Jôasy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema ireto fahavalo, ka matiny avokoa ny manampahefana teo amin’ny vahoaka ary nampitondrainy ho any amin’ny mpanjakan’i Damasy ny babo rehetra azo.
24
Vitsy olona ihany ny tafika sirianina izay tonga teo, kanefa miaramila maro no natolotry ny TOMPO ho eo an-tanany noho ny Jodeanina efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan’ny tafika sirianina ny famaliana an’i Jôasy.
25
Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an- Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
26
Ireto avy ireo nioko nanohitra an’i Jôasy: i Jôzakara zanakalahin’ilay vehivavy hamônita atao hoe Simehata, ary koa i Jehôzabada zanakalahin’ilay vehivavy môabita atao hoe Simrita.
27
Ny amin’ireo zanakalahin’i Jôasy, ny teny faminaniana hentitra nilaza ny loza hanjo ity mpanjaka, ary ny fomba nanamboarany ny tranon’Andriamanitra dia samy voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Fivoasana ny Bokin’ny Mpanjaka. Ary i Amatsià zanakalahin’i Jôasy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36