bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 25
2 Chronicles 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 26 →
1
Feno 25 taona i Amatsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jôhadàna, izay avy ao Jerosalema ihany.
2
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Amatsià, kanefa tsy dia tamin-kafanampo tanteraka.
3
Rehefa nohamafisin’i Amatsià ny fahefàm-panjakàny, dia nasainy novonoina ho faty ireo manamboninahitra izay nahafaty an’i Jôasy mpanjaka rainy.
4
Kanefa ny zanakalahin’ireo mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna, dia ny bokin’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon-janany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon-dray aman-dreniny; fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona.»
5
Dia novorîn’i Amatsià ny vatan-dehilahy tao amin’ny fanjakany, na Jodeanina na Benjaminita, ka nanendreny mpifehy andia-miaramila sy vondro-miaramila, araka ny tarika nisy azy. Natao fanisana ny vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka lehilahy voafantina nisy antokony telonjato no hita fa azo nalefa hiantafika sady kinga fampiasa lefona sy ampinga.
6
Teo koa ny lehilahy maherifo israelita nisy antokony zato nokaramain’ity mpanjaka volafotsy telo taonina
7
Kanefa nisy lehilahy olon’Andriamanitra tonga tao amin’i Amatsià ka nanao hoe: –Ry andriamanjaka, aza avela hanaraka anao hiantafika ny miaramila israelita, satria tsy miaraka amin’ireo rehetra taranak’i Efraîma ireo ny TOMPO.
8
Fa raha miara-manainga aminy ihany ianao, na dia hahery mikatroka an’ady toy inona aza, dia hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalonao; Andriamanitra manko no hany mahay mampandresy na mampahalavo.
9
Hoy kosa i Amatsià tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Ka hatao ahoana ny amin’ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita? Dia novaliany hoe: –Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10
Ary navahan’i Amatsià ny miaramila efraimita tonga teo aminy mba halefa hody indray; ka sady lasa nody ireo no nirehi-pahatezerana mafy dia mafy tokoa tamin’ny fanjakàn’i Joda.
11
Nanana herimpo i Amatsià, ka nitarika ny tafiny hankao amin’ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty antokony folo tamin’ny Edômita taranak’i Sehîra.
12
Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon’ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13
Fa ny miaramila efraimita, izay nalefan’i Amatsià hody mba tsy hiara-miantafika aminy, dia niriotra namely ireo tanàna jodeanina nanomboka teo Migrôna ka nipaka hatrany Bety-Hôrôna ary nahafaty olona telo arivo sady nitondra babo betsaka.
14
Nony niverina avy nanafika ny Edômita i Amatsià, dia nitondra ny sarivongan’ny andriamanitr’ireo taranak’i Sehîra ireo ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy hitsaoka azy sady nanolotra sorona taminy.
15
Dia nirehi-pahatezerana tamin’i Amatsià ny TOMPO, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe: –Nahoana ianao no mivavaka amin’ny andriamanitr’ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin’ny tananao akory aza?
16
Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe: –Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao! Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe: –Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
17
Hevitra hafa no niandanian’i Amatsià mpanjakan’i Joda; ka tamin’izay izy dia nandefa iraka tamin’i Jôasy, zanakalahin’i Jôahaza sy zafin’i Jehò sady mpanjakan’i Israely mba hilaza aminy hoe: «Avia hifanandrina an’ady isika!»
18
Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy.› Kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.
19
Lazainao, ry Amatsià, fa nandresy ny Edômita ianao, ka dia nasesiky ny fonao hirehareha; mitoera ihany re ao an-tranonao, fa nahoana ianao no hanomboka ady handoza anao sady hahalavo ny tenanao mbamin’ny tafik’i Joda?»
20
Kanefa tsy nanaiky i Amatsià; avy tamin’Andriamanitra rahateo izany, satria tiany hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo i Amatsià sy ny tafiny noho ireo nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Edômita.
21
Dia niakatra hiady i Jôasy mpanjakan’i Israely avaratra; ka ny tafiny sy ny an’i Amatsià mpanjakan’i Joda dia nifanandrina tao Bety-Semesy tanànan’i Joda.
22
Resy teo anoloan’ny tafik’i Israely ny tafik’i Joda; ka samy nandositra ho any an-tranony avy ny miaramila jodeanina.
23
Tao Bety-Semesy no voasambotr’i Jôasy mpanjakan’i Israely i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sy zafin’i Ahazià sady mpanjakan’i Joda, ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’i Jôasy roanjato metatra ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraîma ka hatrany amin’ny vavahady anjorony.
24
Dia nalain’i Jôasy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon’Andriamanitra sady teo ambany fiambenan’i Hôbeda-Edôma na izay hita tao amin’ny raki-tsoan’ny lapan’ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy hatao takalon’aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.
25
Taorian’ny nahafatesan’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza sady mpanjakan’i Israely, dia mbola naharitra 15 taona i Amatsià zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Joda.
26
Ny sisa amin’ny tantaran’i Amatsià, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.
27
Nanomboka tamin’ny andro nihatahan’i Amatsià tsy hanaraka ny TOMPO, dia nisy olona nikomy tamin’ity mpanjaka tao Jerosalema, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
28
Dia nampodina an-kalesy tarihin-tsoavaly ny fatiny, ka nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-drenivohitr’i Joda.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36