bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 13
2 Chronicles 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
1
Tamin’ny taona faha-18 nanjakàn’i Jerôbohama no tonga mpanjakan’i Joda i Abià;
2
ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanakavavin’i Oriela avy any Gibehà. Niady i Abià sy i Jerôbohama.
3
Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.
4
Teo an-tampon’i Tsemaraîma, tendrombohitr’i Efraîma, no nijoro i Abià ka niteny hoe: «Henoy aho, ry Jerôbohama sy ry Israelita rehetra!
5
Tsy tokony ho fantatrareo ve fa ny TOMPO Andriamanitr’i Israely efa nanome mandrakizay ny fanjakàn’i Israely ho an’i Davida sy ny taranany? Eny, nataony fanekena tsy azo foanana izany.
6
Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.
7
Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.
8
Ankehitriny ianareo dia mihambo hanohitra ny fanjakana izay napetraky ny TOMPO eo an-tanan’ny taranak’i Davida. Marobe tokoa ianareo sady tafaraka aminareo ny ombilahikely volamena izay nataon’i Jerôbohama ho andriamanitrareo.
9
Noroahinareo ny tena mpisoron ’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.
10
Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO dia ny taranak’i Aharôna; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.
11
Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO na koa mandahatra eo amin’ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain’ny TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.
12
Indro miaraka aminay Andriamanitra mba ho mpitarika anay; ary indreo ny mpisorony vonona hitsoka ny trompetra avo faneno mba hanaingana hamely anareo. Koa aza miady amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ry Israelita tavaratra, fa tsy hahomby ange ianareo!»
13
Fa nasain’i Jerôbohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan’ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony.
14
Rehefa nijery manodidina azy ny Jodeanina, dia indreo teo anoloany sy teo ivohony ny fahavalo; ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy. Vao nitsoka trompetra ny mpisorona,
15
dia nanao akoran’ady ny miaramila jodeanina; koa tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jerôbohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan’i Abià sy ny Jodeanina.
16
Nandositra teo anoloan’ireto Jodeanina ny Israelita ka natolotr’Andriamanitra ho eo ambany fifehezany.
17
Faharesena goavana no namaizan’i Abià sy ny tafiny azy, ka nataony niampatrampatra ny fatin’ireo miaramila israelita voafantina nisy andiany dimanjato.
18
Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
19
Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.
20
Tamin’ny andron’i Abià, dia tsy nanan-kery intsony i Jerôbohama; ary namely azy ny TOMPO, ka maty izy.
21
I Abià kosa nitombo fahefana; ary nanam-bady 14 izy, ka zazalahy 22 sy zazavavy 16 no naterany.
22
Ny sisa amin’ny tantaran’i Abià ary koa ny zava-bitany sy nataony dia efa voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Tsiahin’i Hidao mpaminany.
23
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Abià, dia nalevina tao an- Tanànan’i Davida; ary i Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36