bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 20
2 Chronicles 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
1
Taorian’izay, dia avy hiady tamin’i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin’ny Mehonita sasany.
2
Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ.
3
Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.
4
Dia niangona ny Jodeanina rehetra hangata-bonjy amin’ny TOMPO; eny, avy tamin’ny tanànan’i Joda rehetra no niaingany hanao izany.
5
Voahodidin’ny mponin’i Joda sy i Jerosalema tafangona i Jôsafata no nijoro tao an- tranon’ny TOMPO, teo anoloan’ilay kianja vaovao,
6
ka nivavaka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay ô, Ianao tokoa no Andriamanitra any an- danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin’ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.
7
Ry Andriamanitray ô, Ianao no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an’izany ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao.
8
Ary nonina teto izy ka nanorina Toeramasina ho an’ny anaranao sady niteny hoe:
9
«Raha manjo anay ny loza, na ady na famaizana na areti-mandringana na mosary, ka hijoro manatrika ity tempoly ity izahay, fa ny anaranao no amin’ity trano ity, ary hiantso vonjy aminao noho ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy.»
10
Ankehitriny, indreo ny Hamônita sy ny Môabita ary koa ny Edômita avy any an-tendrombohitra Sehîra. Fony niala tany Ejipta ny Israelita razanay, dia tsy navelanao hanafika azy, ka nivily lalana fa tsy nandringana azy;
11
kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.
12
Ry Andriamanitray ô, tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain’ny masonay.
13
Ny Jodeanina rehetra, mbamin’ny vadiny aman-janany koa, dia samy nitsangana nivavaka teo anatrehan’ny TOMPO.
14
Teo anivon’izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin’i Zakarià sy zafin’i Benaià sy zafiafin’i Jehiela ary zafindohalik’i Matanià sady anisan’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’ny TOMPO,
15
ka niteny hoe: –Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin’i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Jôsafata mpanjaka. Izao no lazain’ny TOMPO aminareo: «Aza matahotra na mivadi-po ny amin’io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo.
16
Rahampitso dia midîna hiady amin’ny fahavalonareo izay miakatra amin’ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny taniefitr’i Jeroela.
17
Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»
18
Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata; ary ny Jodeanina rehetra sy ny mponin’i Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO mba hitsaoka AZY.
19
Nitsangana kosa ny levita, anisan’ny tarika kehatita sy kôrahita, mba hidera ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mafy tokoa.
20
Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!
21
Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»
22
Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon’ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin’ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.
23
Nitsangana ny Hamônita sy Môabita hamely ny Edômita, ka namono nahafaty sy nandringana azy; ary nony voaringan’izy roa tonta ny Edômita, dia izy samy izy kosa avy eo no nifandringana.
24
Rehefa tonga teo amin’ilay toerana fitazanana ny taniefitra ireto Jodeanina, dia nijery ity tafika goavana; ka indreo faty niampatrampatra tamin’ny tany no hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.
25
Dia nandeha nandroba azy i Jôsafata sy ny vahoakany, ka betsaka tokoa ny biby fiompy sy harena ary fitafiana sy fanaka sarobidy hitany. Be loatra ny remby ka na dia nandany telo andro hanangonana aza izy ireo, dia tsy nahazaka azy rehetra.
26
Tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny Lohasaha Berakà izy. Tao no nisaorany ny TOMPO, ka izany no niantsoana io toerana io hoe Lohasaha Berakà mandraka androany.
27
Ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra izay teo ambany fitarihan’i Jôsafata dia niainga hiverina any Jerosalema indray tamim-pifaliana, satria ny TOMPO efa nampifaly azy fony nafahany tamin’ny fahavalony.
28
Dia tonga tany Jerosalema izy nombàn’ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an- tranon’ny TOMPO.
29
Ary azon’ny tahotra an’Andriamanitra ny fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin’ny fahavalon’i Israely.
30
Dia nandry feizay ny fanjakàn’i Jôsafata, satria nomen’Andriamanitra fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina izy.
31
Nanjaka tamin’i Joda i Jôsafata; feno 35 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazobà zanakavavin’i Silehỳ.
32
Nanaraka ny toetran’i Asà rainy izy, ka tsy niala tamin’izany fa nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO.
33
Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin’ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.
34
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsafata, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Jehò zanakalahin’i Hananỳ, izay nakambana tamin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely.
35
Taorian’izany, i Jôsafata mpanjakan’i Joda dia nifarimbona tamin’i Ahazià mpanjakan’i Israely, izay ratsy fitondrantena.
36
Nifarimbona tamin’i Ahazià hanamboatra sambo vaventy izy; ka tao Hetsiôny-Gebera no nanamboarany azy.
37
Kanefa i Elihezera mpaminany, zanakalahin’i Dôdià avy any Maresà, dia naminany ny amin’i Jôsafata hoe: –Noho ny nifarimbonanao tamin’i Ahazià dia horavan’ny TOMPO ireo fitaovana vitanao. Dia nisy fahavakiana tokoa ireo sambo ka tsy afaka nanainga akory.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36