bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 3
2 Chronicles 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
1
Dia nanomboka nanao ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema i Salômôna ka teo amin’ny tendrombohitra Môrià, izay nisehoan’ny Tompo tamin’i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin’i Davida tao amin’ny famoloan’i Ôrnàna izay lehilahy jebosita.
2
Tamin’ny volana faharoan’ny taona fahefatra nanjakany no nanombohany nanorina ny tempoly.
3
Toy izao no refy naraikitr’i Salômôna hanorenana ny tranon’Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra.
4
Ny lalantsara fidirana, izay teo anoloan’ny efitrano malalaka, dia nirefy dimy metatra ny sakany; ny lavany, izay nitovy refy tamin’ny sakan’ny tempoly, dia folo metatra; ary ny haavony koa dia folo metatra. Nopetahana takela-bolamena madio ny rindrina tao anatin’io lalantsara io.
5
Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.
6
Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaîma.
7
Nopetahana takela-bolamena hatramin’ny rairainy sy ny tokonana ary ny rindrina sy ny lelambaravarana; ary nanaovany sary sikotra kerobima koa ny rindrina.
8
Avy eo dia natao ilay efitrano antsoina hoe Toeramasina Indrindra; efamira io efitrano io fa ny lafiny rehetra dia samy nirefy folo metatra tahaka ny sakan’ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena milanja roapolo taonina ny rindrina anatiny.
9
Ny fantsika volamena dia nilanja dimampolo sekela. Ary ireo efitrano tamboniny aza dia nopetahana volamena koa ny rindrina anatiny.
10
Tao amin’ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy.
11
Nijoro tamin’ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin’ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin’ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany. Roa metatra sy sasany ny fivelaran’ny elatra ka ny halavan’ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra.
14
Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany.
15
Dia nanao ireo andry roa teo anoloan’ny Toeramasina i Horama, ka 17 metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony.
16
Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo.
17
Dia natsangany teo anoloan’ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin’ny ankavanana ary ny anankiray tamin’ny ankavia; ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36