bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 22
2 Chronicles 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
1
Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.
2
Feno 22 taona izy fony vao nanjaka; ary herintaona ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hatalià, zafikelin’i Hômrỳ.
3
Nanaraka ny toetran’ireo taranak’i Ahaba koa i Ahazià, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.
4
Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian’ny nahafatesan’i Jôrama rainy ka nampidi-doza azy.
5
Ny torohevitra nomen’ireo azy tokoa no narahin’i Ahazià, ka dia niainga niaraka tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely avaratra izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tao Ramôta-Gilehada. Tamin’izay ny Sirianina dia nandratra an’i Jôrama;
6
ary niverina tao Jizrehela izy mba hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazià, zanakalahin’i Jôrama sady mpanjakan’i Joda, mba hamangy an’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba noho izy narary.
7
Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazià tamin’ny nankanesany hamangy an’i Jôrama; nony tonga manko izy, dia niara-niainga tamin’i Jôrama mba hitsena an’i Jehò, zanakalahin’i Nimsỳ sady nohosoran’ny TOMPO ho mpanjaka mba handringana ny taranak’i Ahaba.
8
Dia nampiharin’i Jehò tamin’ny taranak’i Ahaba ny famalian’Andriamanitra; hitany koa ireo manampahefana jodeanina sy ireo zana-drahalahin’i Ahazià izay samy nanompo an’i Ahazià, ka novonoiny ho faty.
9
Nampitady an’i Ahazià izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin’i Jehò izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe: «Taranak’i Jôsafata, ilay nitady ny TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity.» Tamin’izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak’i Ahazià.
10
Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny zazalahy rehetra tamin’ny teraky ny andriamanjakan’i Joda izy.
11
Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty.
12
Niery enin-taona tao an- tranon’Andriamanitra niaraka tamin’i Jôsebà sy ilay mpitaiza i Jôasy; ary dia i Hatalià no nanjaka teo amin’ny tany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36