bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 16
2 Chronicles 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 17 →
1
Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.
2
Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:
3
«Aoka hisy fanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Koa indro mandefa volafotsy sy volamena ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely mba hialany amin’ny taniko.»
4
Dia neken’i Bena-Hadada ny tenin’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Maîma mbamin’ny tanàna rehetra tany Naftalỳ izay nisy trano fitahirizam-bokatra.
5
Nony ren’i Bahasà izany vaovao izany, dia nitsahatra tsy nanamafy ny tanànan’i Ramà intsony izy, fa nampijanona ny asany.
6
Novorin’i Asà mpanjaka ny Jodeanina rehetra; ka ireo no nanaisotra ny vato sy ny hazo tao Ramà, izay vao nohamafisin’i Bahasà. Dia nampiasan’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geba sy i Mitsepà.
7
Tamin’izany fotoana izany dia nankeo amin’i Asà, mpanjakan’i Joda, i Hananỳ mpaminany ka nanao taminy hoe: –Tsy ny TOMPO Andriamanitrao no niankinanao fa ny mpanjakan’i Siria; noho izany, dia votsotra tsy ho eo ambany fahefànao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.
8
Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.
9
Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.
10
Dia tezitra sy nisafoaka tamin’ilay mpahita i Asà noho izany ka nampiditra azy am-ponja. Ary nisy olona sasany koa nampahorîn’i Asà tamin’izay fotoana izay.
11
Ny tantaran’i Asà, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.
12
Tamin’ny taona faha-39 nanjakàn’i Asà, dia narary mafy tamin’ny tongony izy; kanefa, na niharan’aretina aza izy, dia tsy nitady vonjy tamin’ny TOMPO fa tamin’ny mpitsabo ihany.
13
Rehefa maty i Asà tamin’ny taona faha-41 nanjakany ka lasa nodimandry any amin’ny razany,
14
dia nalevina tao amin’ny fasana izay nolavahany tao an- Tanànan’i Davida. Nampandrina teo amin’ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa araka ny fanaon’ny mpiangaly an’izany izy, ary mbola nandorana zava-manitra betsaka ho fisaonana azy.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36