bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 32
2 Chronicles 32
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 33 →
1
Taorian’izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin’Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary nanao fahirano ny tanànamimanda ka nikendry haka azy.
2
Rehefa hitan’i Hezekià fa tonga i Saneheriba ka nikasa hamely an’i Jerosalema,
3
dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka.
4
Dia vory maro ny olona ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mikoriana anaty lakan-drano ambanin’ny tany. Hoy manko ireo anakampony hoe: «Tsy tokony hahita izao rano be izao ny mpanjakan’i Asiria, rehefa tonga eto!»
5
Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an- Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.
6
Dia nanendry mpitondra miaramila izy mba hifehy ny mponina tao an-drenivohitra. Ary nasain’i Hezekià ny besinimaro hivory teo amin’ny toera-malalaka akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ka nanaovany teny fampirisihana hoe:
7
«Mahereza ka matanjaha. Aza matahotra na mivadi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny miaramila rehetra izay entiny; fa misy hery lehibe kokoa miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.
8
Herin’olombelona no miaraka aminy, fa ny TOMPO Andriamanitsika kosa no miaraka amintsika; Izy no hanampy antsika sy hisahana ny adintsika.» Dia izany tenin’i Hezekià mpanjakan’i Joda izany no nianteheran’ny mponina teo an-drenivohitra.
9
Taorian’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary koa ny tafiny manontolo. Avy ao i Saneheriba no naniraka manamboninahitra hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekià mpanjakan’i Joda sy ho any amin’ny Jodeanina rehetra nonina tao an-drenivohitra. Ka hoy ny hafatra nampitain’ireto iraka hoe:
10
–Izao no lazain’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria: «Mba inona izao itokianareo izao no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?
11
Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko?
12
Kanefa io Hezekià io koa no nandrava ireo toeram-pisoronana aman’ alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitara tokana ary tsy handoro sorona hanetona afa-tsy eo ihany?
13
Tsy fantatrareo va izay nataon’ireo razako sy ny tenako tamin’ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan’ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?
14
Ny andriamanitr’ireo firenena efa naringan’ny razako ireo dia tsy nisy nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàko, ka dia hahavonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko va ny Andriamanitrareo?
15
Ankehitriny àry, aza mety hofitahin’i Hezekià na ho voasodokany tahaka izao ianareo; aza matoky azy ianareo. Tsy nisy manko andriamanitra, tany amin’ny firenena amam-panjakana isan-tokony, izay nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàn’ireo razako na ny fahefàko; noho izany, ireo andriamanitrareo koa tsy hahavonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko.»
16
Ary ny manamboninahitra nirahin’i Saneheriba dia nanohy niteny ratsy nanohitra ny TOMPO Andriamanitra sy nanohitra an’i Hezekià mpanompony.
17
Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan’i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàko ny andriamanitr’ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr’i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan’ny fahefàko.»
18
Ankoatra izany, ireto irak’i Saneheriba ireto dia niantso tamin’ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema izay teny ambonin’ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton’izany.
19
Ary ny fitenenany an’ilay Andriamanitr’i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an’ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan’olona ihany.
20
Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin’Andriamanitra.
21
Ny TOMPO kosa naniraka anjely, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin’ny sabatra.
22
Toy izany no namonjen’ny TOMPO an’i Hezekià sy ny mponin’i Jerosalema tsy ho azon’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria na ho azon’ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
23
Olona maro no nitondra fanatitra ho an’ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an’i Hezekià mpanjakan’i Joda; ka nanomboka tamin’izay i Hezekià no nalaza teo imason’ny firenen-drehetra manodidina.
24
Tamin’izany andro izany dia narary efa saiky maty i Hezekià; koa dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy, ary novaliany sady nanaovany zava-mahagaga.
25
I Hezekià kosa tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona am-po izy ka niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny tenany mbamin’i Joda sy i Jerosalema.
26
Kanefa, na dia efa niavonavona am-po aza ity mpanjaka, dia niaiky heloka izy mbamin’ny mponin’i Jerosalema; ka tsy niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireo, fony fahavelon’i Hezekià.
27
Harena amam-boninahitra be dia be tokoa no nananan’i Hezekià. Ka nanao trano firaketana izy hametrahany ny volafotsy sy ny volamena, ny vatosoa sy ny zava-manitra ary ny ampinga mbamin’ny fanaka sarobidy isan-karazany;
28
nanao trano fitahirizam-bokatra izy, dia vokatra toy ny vary sy ny divay ary ny menaka; ary nanao trano fisoko izy ho an’ny biby fiompy samy hafa sy nanao trano ho an’ny ondry aman’osy.
29
Nanao tanàna maro ho an’ny tenany koa i Hezekià sady nanana ondry aman’osy ary omby betsaka, satria nomen’Andriamanitra fananana be dia be izy.
30
I Hezekià ihany koa no nanampina ny lakan-drano ambony ao amin’ny loharanon’i Gihôna ka nampandeha azy ambanin’ny tany mba hidina mahitsy ho any andrefan’ny Tanànan’i Davida. Nambinina tamin’ny asany rehetra i Hezekià.
31
Noho izany, rehefa nandefasan’ny manampahefana babilônianina iraka izy mba hanontany momba ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny taniny, dia navelan’Andriamanitra hanao saim-pantatra izy mba hisedrany azy ka hahalalany izay toetrany rehetra.
32
Ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekià sy ireo soa nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Fahitàn’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa ary ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.
33
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Hezekià, dia nalevina tao amin’ny faritra ambony eo amin’ny fasan’ireo taranak’i Davida; tamin’izay ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra dia samy nanome voninahitra azy. Ary i Manase zanakalahin’i Hezekià no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36