bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 15
2 Chronicles 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 16 →
1
Tonga tamin’i Hazarià zanakalahin’i Hôdeda ny Fanahin’Andriamanitra;
2
ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.
3
Nandritra ny fotoana ela ny Israelita no tsy nanana an’ilay Andriamanitra marina, na mpisorona hampianatra na lalàna.
4
Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy.
5
Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.
6
Nifandringana ny firenena sy ny tanàna, satria Andriamanitra efa nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana isan-karazany.
7
Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; satria hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8
Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitara n’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.
9
Nisy Israelita betsaka, avy tamin’ny foko efraîmita sy manasita ary simehônita, nifindra monina sy nanatona an’i Asà rehefa nahita fa niaraka tamin’i Asà ny TOMPO Andriamaniny. Novorîn’ny mpanjaka ireo mbamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra
10
ka tafavory tokoa tao Jerosalema tamin’ny volana fahatelon’ny taona faha-15 nanjakàn’i Asà.
11
Androtrizay no nanolorana sorona ho an’ny TOMPO tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.
12
Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;
13
ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
14
Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.
15
Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
16
Na dia i Mahekà reniben’i Asà aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy efa nanao sarivongan-tsampin’i Aserà. Noravan’i Asà io sampy io, dia nomontsamontsaniny ary nodorany tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.
17
Kanefa tsy mbola foana teo amin’i Israely ny toeram-panasinana, na dia nahitsy fo hatrany aza i Asà tamin’ny androm-piainany rehetra.
18
Nampidiriny ho ao an-tranon’ny Tompo ireo zavatra voatokan-drainy sy voatokan’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
19
Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona faha-35 nanjakàn’i Asà.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36