bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 21
2 Chronicles 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
1
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- Tanànan’i Davida; ary i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
2
Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Hazarià sy i Jehiela, i Zakarià sy i Hazarià ary i Mikaela sy i Sefatià; izy rehetra ireo no zanakalahin’i Jôsafata, mpanjakan’i Joda.
3
Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin’ny fifehezana tanànamimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an’i Jôrama, satria izy no lahimatoa.
4
Raha vao nandray an-tanana ny fanjakàn-drainy i Jôrama, dia nanamafy ny fahefàny ka namono nahafaty tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin’i Israely.
5
Feno 32 taona i Jôrama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
6
Nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra izy, dia tahaka ny nataon’ireo taranak’i Ahaba, fa zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Jôrama.
7
Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.
8
Tamin’ny andron’i Jôrama no nikomian’ny Edômita tamin’ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.
9
Niainga manko i Jôrama sy ireo manamboninahiny ary ny kalesiny rehetra; nony voahodidin’ny Edômita ny tenany mbamin’ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin’ny Edômita.
10
Hatreo dia nizaka tena sady nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edômita mandraka androany. Tamin’izay fotoana izay koa ny tanànan’i Libnà no nikomy nanohitra ny fahefàn’i Jôrama, satria efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy.
11
I Jôrama mihitsy no nanao toeram-panasinana teny an-tendrombohitr’i Joda ka nitaona ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hanompo sampy sady hivadika amin’Andriamanitra.
12
Ary nisy taratasy avy tamin’i Elià mpaminany tonga tao amin’i Jôrama nanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razanao: Tsy nanaraka ny toetran’i Jôsafata rainao na ny an’i Asà mpanjakan’i Joda ianao,
13
fa nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin’i Jerosalema tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba; novoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;
14
koa dia hataon’ny TOMPO hiharan-doza goavana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ny vadinao sy ny fanananao rehetra.
15
Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»
16
Dia notaomin’ny TOMPO hamely an’i Jôrama ny Filistinina ary koa ny Arabo izay mifanila amin’ny Kosîta;
17
niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, ary namabo ny fananana rehetra izay tao an-dapan’ny mpanjaka mbamin’ny zanany sy ny vadiny koa aza. Tsy nisy zanany tavela intsony teo aminy, afa-tsy i Jôahaza faralahiny ihany.
18
Taorian’izany rehetra izany, ny namelezan’ny TOMPO an’i Jôrama dia aretina tsy azo sitranina teo amin’ny tsinainy.
19
Rehefa ela ny ela, nony afaka roa taona, dia niloatra nihahaka ny tsinainy noho ny fiantraikan’ilay aretina; ka maty tamin’ny fangirifiriana mafy i Jôrama. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro vovo-javamanitra ho fisaonana azy toy ny natao tamin’ireo razany.
20
Feno 32 taona i Jôrama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an- Tanànan’i Davida ihany i Jôrama, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ireo mpanjaka.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36