bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 35
2 Chronicles 35
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
1
Dia nanao fankalazana ny Paska i Jôsià ho voninahitry ny TOMPO; ary tamin’ny volana voalohany, andro faha-14, no namonoan’ny olona ny biby ho an’ny sakafo Paska.
2
Dia nampirisihin’i Jôsià hijoro amin’ny anjara raharahany avy ny mpisorona ary nampahereziny hanao ny fanompoam-pivavahana ao an- tranon’ny TOMPO.
3
Ary ny levita izay natao hampianatra ny Israelita rehetra sady efa voatokana ho an’ny TOMPO dia nitenenany hoe: –Ianareo natao hametraka ny Vatamasin’ny Tompo ao amin’ny tempoly, izay nataon’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia efa tsy milanja azy intsony izao; koa ankehitriny manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo sy manompoa an’ilay Israely vahoakany;
4
ary samia mitsinjara araka ny tarikareo sy ny antokonareo avy ianareo, fa izany no fepetra voasoratr’i Davida mpanjakan’i Israely ary koa i Salômôna zanakalahiny.
5
Ary makà toerana ao amin’ny tempoly, araka ny fitsinjaran’ny tarik’ireo vahoaka mpiray firenena aminareo ary araka ny fitsinjaran’ny tarikareo samy levita.
6
Natao hamono ny biby ho an’ny sakafo Paska ianareo ka midiova tena ary mivonòna hiasa ho an’ny mpiray firenena aminareo mba hanatontosana ny fankalazàna araka ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.
7
Ny vahoaka izay vory teo dia nomen’i Jôsià zanak’ondry sy zanak’osy hatao sakafo Paska: 30 000 no isan’ireo biby ireo, ary mbola niampy omby telo arivo, samy avy amin’ny fananan’ny mpanjaka.
8
Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska.
9
Ireo filohan’ny levita, izany hoe ry i Kônanià sy i Semahià ary i Natanaela mirahalahy mbamin-dry i Hasabià sy i Jehiela ary i Jôzabada, dia nandroso ondry aman’osy dimy arivo ho an’ny levita mba hatao soron’ny Paska.
10
Dia nizotra toy izao ny fanompoam-pivavahana. Samy teo amin’ny toerany avy ny mpisorona, ary samy teo amin’ny antokony avy ny levita, araka ny baikon’ny mpanjaka.
11
Dia novonoin’ny olona ny biby ho an’ny sakafo Paska; ny ran’ireo biby ireo dia noraisin’ny mpisorona ka nararany teo amin’ny alitara; ary ny levita kosa nanoditra ireo biby voavono.
12
Rehefa nomena ny olona ny anjarany araka ny tarika sy fianakaviana teo amin’ny teraky ny firenena, dia navahana kosa ny sorona dorana manontolo hatolotra ho an’ny TOMPO, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy. Ary toy izany koa tamin’ny omby.
13
Ny zanakondrin’ny Paska dia natsatsika tamin’ny afo araka ny fanao; fa ny fanatitra masina hafa kosa nandrahoina tao anaty vilany sy vilanibe ary kaseraola, dia nozaraina faingana tamin’izay rehetra teraky ny firenena israelita.
14
Taorian’izay ny levita vao nanamboatra ny sakafo Paska ho an’ny tenany sy ny mpisorona; ireo mpisorona taranak’i Aharôna manko nanolotra ny sorona dorana manontolo sy ny sabora mandra-pahalin’ny andro, ka dia izany no nahatonga ny levita hanamboatra ny sakafo Paska ho an’ny tenany sy ny mpisorona taranak’i Aharôna.
15
Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.
16
Dia nizotra toy izany tamin’io andro io ny fanompoana ny TOMPO mba hankalazana ny Paska sy hanolorana ny sorona dorana manontolo eo ambony alitaran’ny TOMPO, araka ny fepetra nataon’i Jôsià mpanjaka.
17
Ny Israelita izay vory teo dia nankalaza ny Paska tamin’izany vaninandro izany, ary koa ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro.
18
Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjaka rehetra tamin’i Israely dia tsy nisy nankalaza ny Paska tahaka izay nataon’i Jôsià sy ny mpisorona ary ny levita mbamin’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina rehetra ary ny Israelita hafa izay vory teo.
19
Tamin’ny taona faha-18 nanjakàn’i Jôsià no nankalazana izany Paska izany.
20
Ankoatra izany rehetra izany, nony efa voavoatran’i Jôsià ny tempoly, dia niakatra i Nekao mpanjakan’i Ejipta mba hiady any Karkemisy eo amoron’i Eofrata; tamin’izay i Jôsià no niainga hifanehatra aminy.
21
I Nekao kosa naniraka olona ho any aminy hanao hoe: –Tsy natao hifamely akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’i Joda! Tsy ady aminao izao ataoko anio izao, fa amin’ny fahavaloko; sady nasain’Andriamanitra handeha faingana aho. Koa aza toherinao Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
22
Kanefa i Jôsià tsy niova hevitra fa nitady izay hiadiana tamin’i Nekao; tsy nety nihaino ny teny izay nampilazain’Andriamanitra an’i Nekao izy, fa nody olon-kafa mba tsy ho fantatra ka nandeha niady taminy ihany tao amin’ny lemak’i Megidao.
23
Ary nahavoa an’i Jôsià mpanjaka ny mpandefa tsipîka, ka hoy ity mpanjaka tamin’ny manamboninahiny: –Ento miala eto aho, fa voa mafy.
24
Dia nesorin’ny manamboninahiny tamin’ny kalesy nisy azy i Jôsià ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa ary nentiny ho any Jerosalema. Dia maty izy, ka rehefa nalevina tao am-pasan-drazany, dia nisaonan’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra.
25
I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.
26
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsià ary koa ny asa soa nataony araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO,
27
eny, ny tantaran’i Jôsià, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely sy i Joda.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36