bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 26
2 Chronicles 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
1
Vao 16 taona i Hozià no nalain’ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.
2
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa ity rainy, dia i Hozià no nampody ny seranana Elata ho an’ny fanjakan’i Joda sy nanamboatra azy indray.
3
Feno 16 taona i Hozià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekôlià izay avy ao Jerosalema ihany.
4
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hozià, tahaka izay rehetra nataon’i Amatsià rainy.
5
I Hozià tamin’ny andro niainan’i Zakarià izay nampianatra azy hanaja an’Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin’ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.
6
Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.
7
Ary nanampy azy hatrany Andriamanitra hanohitra ny Filistinina sy ny Arabo nonina tao Gora ary ny Mehonita.
8
Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy. Tonga nahery fatratra i Hozià ka niely laza hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.
9
Nanao tilikambo tao Jerosalema izy, teo amin’ny Vavahadin’ny Zoro sy teo amin’ny Vavahady mankany an-dohasaha sady nohamafisiny tsara.
10
Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.
11
Nanana tafika i Hozià, dia tafika afa-mifanandrina amin’ny fahavalo sy vonona hiatrika ady; notsinjaraina ho vondro-miaramila izany, araka ny vokatry ny fanisana notontosain’i Jehiela mpitantsoratra sy i Mahaseià mpitantan-draharaha, sady napetraka ho eo ambany fifehezan’i Hananià izay anankiray tamin’ireo komandy voatendrin’ny mpanjaka.
12
Andiany roa nisy olona eninjato no filohan-tarika nibaiko ireo miaramila maherifo ireo;
13
ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7 500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony.
14
Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.
15
Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin’ny tilikambo sy teny amin’ny zoron’ny manda ary mba handefasana zana-tsipîka na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian’Andriamanitra an’i Hozià, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.
16
Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an’ny tenany. Nivadika tamin’ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin’ny alitara fanaovana izany.
17
Fa mba niditra nanaraka azy kosa i Hazarià mpisorombe, niaraka tamin’ny mpisoron ’ny TOMPO valopolo lahy izay samy mahery fo avokoa.
18
Dia nijoro teo anoloan’ny Hozià mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: –Tsy anjara raharahanao, ry Hozià, ny handoro vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO; fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aharôna izay natokana hanao izany. Mialà amin’ny Toeramasina ianao, satria manimbazimba an’Andriamanitra; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitra izany.
19
Mbola teny an-tanan’i Hozià ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra no nisafoaka tamin’ireo mpisorona izy. Tamin’izay indrindra dia nisy aretin-koditra nipoitra teo amin’ny handriny raha izy mbola tao an-tranon’ny TOMPO iny, teo anatrehan’ny mpisorona sady teo anilan’ny alitara fandoroana vovo-javamanitra.
20
Ary i Hazarià mpisorombe sy ireo mpisorona hafa rehetra dia nanatrika nijery azy ka nahita ny aretin-koditra teo amin’ny handriny. Dia noroahiny hiala ny Toeramasina izy; sady ny tenany koa mba nivoaka ny tempoly faingana ihany, satria tsapany efa namely azy ny TOMPO.
21
Dia nianjadian’izany aretin-koditra izany i Hozià mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin’ny trano anankiray izy, sady tsy nahazo niditra tao an- tranon’ny TOMPO intsony. Ka dia i Jôtama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan’ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana.
22
Ny sisa amin’ny tantaran’i Hozià, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa.
23
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Hozià, dia nalevina tao an-tsaha filevena-mpanjaka; kanefa tsy tao amin’ny fasan-drazana no nandevenana azy, satria hoy ny olona hoe: «Voan’ny aretin-koditra izy!» Ary i Jôtama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36