bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 6
2 Chronicles 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 7 →
1
Dia hoy i Salômôna: «TOMPO ô, efa nilaza Ianao fa honina ao anatin’ny haizim-pito.
2
Kanefa izaho efa nanorina trano hipetrahanao, dia toerana honenanao mandrakizay!»
3
Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
4
Avy eo izy dia hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:
5
«Hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; ary tsy mbola nisy koa olona nofidiko ho mpifehy an’i Israely vahoakako.
6
Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»
7
Efa mby tao am-pon’i Davida raiko ny hanorina tempoly ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
8
Kanefa hoy ny TOMPO taminy: «Satria efa mby tao am-ponao ny fikasana hanorina tempoly ho voninahitro, dia tsara tokoa izany fikasanao izany.
9
Kanefa tsy ianao no hanorina izany fa ny zanakao lahy haterakao; izy no hanorina ny tempoly ho voninahitro.»
10
Dia notanterahin’ny TOMPO araka izany tokoa ny fampanantenana nolazainy; fa nandimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Israely araka ny voalazan’ny TOMPO, sady efa nanorina ity tempoly ity ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely;
11
ary napetrako tao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita.
12
Dia nitsangana teo anoloan’ny alitara n’ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salômôna, ka nanandra-tanana hivavaka.
13
Efa nanao lampihalimo rahateo i Salômôna, dia lampihalimo izay napetrany teo afovoan’ny kianja: efamira izy io ka mirefy roa metatra sy sasany avy ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dia niakatra teo ambonin’io lampihalimo io i Salômôna, ary nandohalika teo anatrehan’ny Israelita rehetra tafangona izy no nanandra-tanana manandrify ny lanitra
14
ka nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any an- danitra na etỳ an-tany. Tandrovinao hatrany ny fanekempihavananao sy ny fitiavanao amin’ireo mpanomponao izay mizotra eo anatrehanao amin’ny fony manontolo.
15
Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao araka izao hita anio izao.
16
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›
17
Ankehitriny àry, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida mpanomponao.
18
«Nefa hety honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity!
19
Na izany aza, ry TOMPO Andriamanitro ô, mba atreho ny vavaka amam-pifònako; eny, mba henoy ny antso sy ny vavaka izay ataoko eto anatrehanao.
20
Aoka hojerenao amin-kamorampo andro aman’alina ity tempoly ity, dia ilay toerana nolazainao fa hampitoeranao ny voninahitrao! Koa mba henoy ny vavaka izay ataoko rehefa mitodika amin’ity toerana ity aho.
21
Hohenoinao anie ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
22
«Mety hisy olona manota amin’ny namany, ka asaina manao fianianana ombàm-piozonana. Rehefa tonga hanao izany eto anoloan’ny alitaranao amin’ity tempoly ity izy,
23
dia mba mihainoa any an-danitra Ianao, Tompo ô, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka, ary atsingereno aminy ny ratsy nataony fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.
24
«Mety ho resim-pahavalo ny Israelita vahoakanao noho ny nanotany taminao. Rehefa miverina aminao izy ka midera ny anaranao, ary mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin’ity tempoly ity,
25
dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, Tompo ô, ka mamelà ny fahotan’i Israely vahoakanao, ary avereno aminy indray ny tany izay nomenao azy sy ny razany!
26
«Mety koa hikatona ny lanitra ka tsy misy ny ranonorana noho ny nanotan’ny Israelita taminao. Rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izy, ka midera ny anaranao sady miala amin’ny fahotany satria nampahorînao,
27
dia mihainoa any an-danitra, Tompo ô, ka mamelà ny fahotan’ireo mpanomponao, izany hoe ny Israelita vahoakanao; ampianaro azy ny fitondrantena tsara izay tokony hizorany ary andatsaho ranonorana ity taninao izay nomenao ho fananan’ny vahoakanao ity.
28
«Mety hisy mosary eto amin’ity tany ity na areti-mandringana, mety ho mainan’ny rivotra na ho maty fotsy ny vary, na koa hisy andiam-balala sy sompanga tonga; mety hisy fahavalo manao fahirano ny Israelita eto amin’ny taniny sy eto amin’ny tanànany, na koa hipoitra ny fahoriana aman’areti-mifindra isan-karazany.
29
Rehefa ny olona iray na ny Israelita rehetra vahoakanao manandra-tanana mitodika amin’ity tempoly ity, ka samy manao vavaka amam-pifonana,
30
dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka mamelà heloka azy; ary araka ny sori-dalana rehetra nizorany anie no samy hamalianao azy avy, satria fantatrao ny fony; eny, Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny olombelona.
31
Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.
32
«Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan’ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,
33
dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny aminao. Izany no hahalalan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany Anao sy hanajany ny Anao tahaka ny ataon’ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity tempoly naoriko ity.
34
«Mety hiainga hiady amim-pahavalo ny vahoakanao, na aiza na aiza hanirahanao azy; rehefa mivavaka aminao izy ka mitodika amin’ity tanàna voafidinao ity sy amin’ity tempoly naoriko ho voninahitrao ity,
35
dia mba henoy avy any an-danitra ny vavaka amam-pifonana ataony, Tompo ô, ka omeo rariny izy.
36
«Mety hanota aminao ny Israelita fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy amin’ny fahavalony; dia hoentin’ny mpamabo ho babo any an-tany lavitra na akaiky ireo.
37
Rehefa mieritreritra izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo any, dia hivalo sy hifona aminao manao hoe: ‹Efa nanota izahay sady efa nahavita heloka sy efa nanao ratsy›;
38
ary hiverina aminao amin’ny fo sy fanahy manontolo izy ao amin’izany tany nitondrana azy ho babo izany sady mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany ity sy amin’ity tanàna voafidinao ity ary amin’ity tempoly naoriko ho voninahitro ity,
39
dia mba henoy avy any an-danitra toeram-ponenanao ny vavaka amam-pifonana ataony, Tompo ô, ka omeo rariny izy; ary dia avelao heloka ny vahoakanao izay efa nanota taminao!
40
«Ankehitriny, Andriamanitro ô, enga anie ny masonao hijery ary enga anie ny sofinao hihaino ny vavaka atao aminao eto amin’ity toerana ity.
41
«Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, avia honina amin’ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina itoeran’ny herinao. Ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, ary aoka ireo mpivavaka aminao hifaly heni-kasambarana!
42
Ry TOMPO Andriamanitra ô, aza lavinao ny vavak’ity mpanjaka voahosotrao; tsarovy ny fitahiana nampanantenainao an’i Davida mpanomponao.»
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36