bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 36
2 Chronicles 36
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
1
Nalain’ny mponin’i Joda kosa i Jôahaza zanakalahin’i Jôsià ka nataony mpanjaka tao Jerosalema handimby an-drainy.
2
Feno 23 taona i Jôahaza fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema.
3
Teo koa izy no nesorin’i Nekao, mpanjakan’i Ejipta; ary nampandoavin’io Farao io sazy volafotsy sy volamena samy telo taonina ny fanjakan’i Joda.
4
Dia i Eliakima rahalahin’i Jôahaza no nataony mpanjaka tamin’i Joda sy i Jerosalema, ary novany anarana hoe Jôiakima; fa i Jôahaza rahalahiny kosa nalain’i Nekao ka nentiny ho any Ejipta.
5
Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy.
6
Ary i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna, no niakatra namely azy ka namatotra azy tamin’ny gadra varahina mba hitondrany azy ho any Babilôna.
7
Ny fanaka sasany tao an- tranon’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilôna koa ka nataony tao amin’ny lapany tany Babilôna.
8
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôiakima ary koa ny fanompoam-tsampy maharikoriko nataony sy ny zavatra hafa rehetra nanjo azy dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely sy i Joda. Ary i Jôiakîna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
9
Feno 18 taona i Jôiakîna, fony tonga mpanjaka; ary telo volana sy folo andro ihany no nanjakany tao Jerosalema, sady nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy.
10
Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.
11
Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.
12
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy, ary tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’i Jeremià mpaminany, izay nilaza hafatra avy amin’ny TOMPO.
13
Nikomiany aza i Nebokadnetsara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra. Nanamafy hatoka sy fo izy mba tsy hiverenany amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
14
Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an’Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan’ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.
15
Kanefa ny TOMPO Andriamanitry ny razany dia nangoraka ilay vahoakany sy ilay fonena-masiny, ka nampitondra teny ireo iraka izay nalefany matetika ho any amin’ny olony.
16
Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
17
Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
18
Nalain’io mpanjaka io ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ireo manampahefana; ka ireny rehetra ireny dia nentiny nankany Babilôna.
19
Nodoran’ny Babilônianina koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; notselarany afo ny lapa rehetra ary nosimbany ny fanaka sarobidy isan-karazany tao an-tanàna.
20
Ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentin’i Nebokadnetsara ho babo tany Babilôna, ka tonga nanompo azy sy ny zanany ireny mandra-piavin’ny fanjakàn’i Persia.
21
Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»
22
Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa, amperôran’i Persia, no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO, ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakàny manontolo ireto hafatra ireto:
23
«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36