bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 11
2 Chronicles 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
1
Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.
2
Kanjo nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Semahià olon’Andriamanitra, dia teny nanao hoe:
3
–Ambarao amin’i Rehabohama, zanakalahin’i Salômôna sady mpanjakan’i Joda, ary koa amin’ny Israelita rehetra ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna,
4
fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an’i Jerôbohama.
5
Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda,
6
dia ireto avy: i Betlehema sy i Hetama ary i Tekôa,
7
i Bety-Tsoro sy i Sôkao ary i Hadolama,
8
i Gata sy i Maresà ary i Zifa,
9
i Adôraîma sy i Lakisy ary i Hazekà,
10
mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna.
11
Nohamafisin’i Rehabohama ny mandan’ireo tanàna ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.
12
Isan-tanàna dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa. Ny nanamafisany tsara ireo tanàna ireo no nitazonan’i Rehabohama ny faritr’i Joda sy i Benjamîna ho azy.
13
Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin’ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin’i Rehabohama.
14
Fa nandao tanim-bilona amam-pananana ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, satria i Jerôbohama sy ireo zanany lahy efa nisakana azy tsy hanao ny raharaham-pisoronany ho an’ny TOMPO;
15
nanendry olona ho mpisorona manko izy hisahana ireo toeram-panasinana sy hikarakara ireo sarin’osilahy na ombilahikely izay sampy nampamboariny.
16
Na iza na iza anisan’ny foko rehetra tamin’i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
17
Ka dia nampahery ny fanjakàn’i Joda izy ireny sady nijoro ho mpanohana an’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna, nandritra ny telo taona; fa ny fitondrantena tsara narahin’i Davida sy i Salômôna no nizoran’i Rehabohama nandritra ny telo taona.
18
I Rehabohama dia nanambady an’i Mahalato izay i Jerimôta zanakalahin’i Davida no rainy ary i Abihaîla zanakavavin’i Eliaba sady zafin’i Jisay no reniny.
19
I Mahalato dia nahazoan’i Rehabohama zazalahy telo, dia i Jehosa sy i Semarià ary i Zahama.
20
Ankoatran’i Mahalato dia nalain’i Rehabohama ho vady koa i Mahekà zanakavavin’i Absalôma sady niteraka an’i Abià sy i Hatahy ary i Zizà sy i Selômita.
21
I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.
22
I Abià, zanakalahin’i Mahekà, no nataon’i Rehabohama ho filohan’ireo rahalahiny, satria izy no niriny hampanjakaina.
23
Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36