bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 30
2 Chronicles 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
1
Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin’ny volana faharoa. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin’ny vaninandro manandrify, satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran’i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan’ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan’i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin’i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an- tranon’ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an’ny foko efraimita sy manasita.
6
Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
7
Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin’ny faharavana araka izao hitanareo izao.
8
Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon’ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin’ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan’ny fahatezerany mirehitra aminareo.
9
Fa raha miverina amin’ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin’ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy.
10
Dia notetezin’ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin’ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin’ny faritra zebolonita; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana ireo.
11
Kanefa tamin’ny foko aserita sy manasita ary zebolonita dia nisy ihany olona vitsivitsy mba resy lahatra ka tonga tany Jerosalema.
12
Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.
13
Tamin’ny volana faharoa dia nisy vahoaka marobe tafavory tao Jerosalema mba hankalaza ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora. Fiangonana goavana tokoa izany.
14
Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.
15
Nony andro faha-14 tamin’ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin’ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an- tranon’ny TOMPO.
16
Samy naka toerana toy ny mahazatra izy, araka ny lalànan’i Mosesy olon’Andriamanitra; ary nararaky ny mpisorona teo ambony alitara ny ra izay natolotry ny levita azy.
17
Nisy maro manko tamin’ny vahoaka tafangona no tsy mbola nidio tena; dia ny levita no nampamonoina ny biby fanolotra amin’ny Paska ka nisolo izay rehetra tsy madio mba hampisy hasina ny sorony amin’ny TOMPO.
18
Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà
19
izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady Anao TOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takîn’izao zava-masina izao aza izy.»
20
Ary nohenoin’ny TOMPO i Hezekià ka navelany heloka ny vahoaka.
21
Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin’ny mofo tsy misy leviora izany; isan’andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nombàn’ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZY.
22
Ary ny teny nataon’i Hezekià dia nanohina ny fon’ireo levita rehetra izay feno fahazotoana tokoa ho an’ny TOMPO. Nihinana ny sakafo Paska nandritra ny herinandro ny olona ka sady nanolotra sorom-pihavanana no nisaotra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
23
Ny vahoaka rehetra tafangona teo dia niombon-kevitra ny amin’ny mbola hanohizana herinandro indray ny fankalazana; ka dia nataony tamin-kafaliana koa izany,
24
satria i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nanome ombilahy arivo sy ondry aman’osy fito arivo, ary ny manampahefana koa nanome ombilahy arivo sy ondry aman’osy 10 000 ho an’ny olona. Ankoatra izany, maro ny mpisorona no nanao fidiovan-tena.
25
Faly ny besinimaro niangona teo; dia ny Jodeanina sy ny mpisorona mbamin’ny levita ary koa izay rehetra anisan’ny Israelita tavaratra na ireo nivahiny ho an’ny fety na ireo nonina tao Joda.
26
Fifaliana goavana no tao Jerosalema; fa hatramin’ny andron’i Salômôna, zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tao an-tanàna.
27
Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an- danitra izay fonena-masiny.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36