bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 10
2 Chronicles 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
1
Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.
2
Tamin’izay i Jerobohama, zanakalahin’i Nebata, dia tany Ejipta, noho izy nandositra lavitra an’i Salômôna mpanjaka. Koa rehefa ren’i Jerobohama fa hisy izany fivoriana izany, dia niverina avy tany Ejipta izy.
3
Nisy olona nirahina haka azy ary tonga izy mbamin’ny Israelita tavaratra rehetra, ka niteny tamin-dRehabohama hoe:
4
–Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany taminay, dia hanompo anao izahay.
5
Dia hoy ny navalin’i Rehabohama: –Rehefa afaka telo andro, dia miverena atỳ amiko indray ianareo. Dia lasa nody ny olona.
6
I Rehabohama mpanjaka kosa naka hevitra tamin’ny loholona izay mpandraharahan’i Salômôna rainy fony fahavelony, ka nanontany azy hoe: –Ahoana no hevitra omenareo havaliko an’ireo vahoaka ireo?
7
Dia hoy ny loholona tamin’i Rehabohama: –Raha ho tsara fo amin’ireo vahoaka ireo ianao, ka halemy paika aminy sy hanao teny mamy aminy, dia ho mpanomponao hatrany izy.
8
Kanjo tsy noraharahain’i Rehabohama ny torohevitra nomen’ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona aminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,
9
ka nanontaniany hoe: –Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy?
10
Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.
11
Raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.»
12
Tamin’ny andro fahatelo dia nankany amin-dRehabohama i Jerôbohama sy ny vahoaka israelita tavaratra, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: «Miverena atỳ amiko ianareo amin’ny andro fahatelo».
13
Teny mahery no navalin’ny mpanjaka ireo vahoaka fa tsy noraharahainy akory ny torohevitry ny loholona;
14
ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka an’izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.
15
Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.
16
Rehefa tsapan’ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin’ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin’ireo hoe: –Tsy manana anjara inona amin’i Davida isika na manana anjara lova amin’ny taranak’i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra! Ianao kosa, ry zafikelin’i Davida, karakarao ny fanjakanao. Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.
17
Ny Israelita nonina tany an-tanànan’i Joda ihany no nanjakàn’i Rehabohama.
18
Ary naniraka an’i Adôrama mpiandraikitra ny asa an-terivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an’i Adôrama ny Israelita tavaratra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.
19
Toy izany no nikomian’i Israely avaratra tamin’ny taranak’i Davida mandraka androany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36