bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 28
2 Chronicles 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
1
Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy,
2
fa nitondra tena tahaka ny mpanjakan’i Israely avaratra. Nanao sarivongan-tsampy ho fanajana an’ireo Bahala mihitsy aza i Ahaza.
3
Nandoro vovo-javamanitra tao amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma koa izy, ary nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin’ny afo, araka ny fomba maharikoriko fanaon’ny hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
4
Nanao sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana ary koa teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.
5
Koa dia natolotry ny TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjaka sirianina i Ahaza; nandresy azy ny mpanjaka sirianina ary nitondra olona sambo-belona betsaka nankany Damasy. Ny tenan’i Ahaza koa dia natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’i Peka zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, izay namely mafy ka naharesy azy.
6
Indray andro monja i Peka dia nampamono ho faty vondro-miaramila jodeanina 120, noho ny nandaozan’ireo ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
7
Ary i Zikrỳ, lehilahy maherifo tamin’ny Efraimita, no namono nahafaty an’i Mahaseia zanakalahin’i Ahaza mpanjaka sy namono nahafaty an’i Hazrikama mpifehy ny tao an-dapa ary namono nahafaty an’i Elkanà izay mpiara-miasa akaiky indrindra tamin’ny mpanjaka.
8
Dia nahazo olona sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany tatsimo ny Israelita, dia zaza amam-behivavy; nahazo babo betsaka taminy koa izy, ka nitondra ireny tany Samaria.
9
Nisy mpaminanin ’ny TOMPO tao Samaria, ary Hôbeda no anarany. Niainga hitsena ny miaramila israelita tavaratra izay niditra ny tanàna izy, ka nanao taminy hoe: –Indro fa tezitra mafy tamin’ny Jodeanina tokoa ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ka nanolotra azy ho eo an-tananareo. Kanefa nisafoaka diso tafahoatra ianareo fony namono nahafaty azy, hany ka nanaka- danitra ny akon’izany.
10
Ankehitriny ny terak’i Joda sy i Jerosalema, na lahy na vavy, dia kasainareo handevozina; ka tonga manan-keloka amin’ny TOMPO Andriamanitrareo koa ianareo!
11
Henoy àry aho: Alefaso ny olona sambo-belona izay nentinareo avy tamin’ny Jodeanina havanareo, satria irehetan’ny fahatezeran’ny TOMPO ianareo.
12
Nitsangana tamin’izay ny lehibeny sasany anisan’ny loholona efraimita, dia i Hazarià zanakalahin’i Jôhanàna, i Berekià zanakalahin’i Mesilemôta, i Hezekià zanakalahin’i Saloma, ary i Hamasà zanakalahin’i Hadlay. Notoherin’izy efa-dahy ny miaramila izay avy niantafika
13
sady nilazany hoe: –Aza ampidirinareo atỳ ireo olona sambo-belona ireo, fa tonga hanan-keloka amin’ny TOMPO isika. Mbola kasainareo hampiana ihany ve ny fahotana amam-pahadisoantsika, na dia efa mavesatra tokoa aza izany ary na dia efa mirehi-pahatezerana amintsika Israelita tavaratra aza Andriamanitra?
14
Teo anatrehan’ny manampahefana sy ny vahoaka rehetra tafangona teo no nalefan’ireo miaramila ny sambo-belona sy babo azony.
15
Ary olona voatonona anarana manokana no nitsangana nampahery ny sambo-belona: tamin’ny zavatra voababo ihany no nampiakanjoiny izay rehetra tsy nitafy na koa nanomezany azy kapa; notolorany sakafo sy zava-pisotro ny besinimaro, nohosorany diloilo ny nangotsokotsoka, nampitaingeniny boriky izay rehetra nandringa; dia izy sambo-belona mianakavy no nentiny tany Jerikao, tanàna mpamokatra rofia, ho any amin’ny mpiray foko aminy. Avy eo vao niverina nody tany Samaria ireo mpanatitra.
16
Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka no nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Asiria mba hangataka ny any hanampy azy.
17
Tonga indray manko ny Edômita namely ny Jodeanina sy nitondra sambo-belona.
18
Ary ny Filistinina koa nanafika ny tanàna tao Sefelà sy tao Negeba izay anisan’ny fanjakàn’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy sy i Aialôna ary i Gederôta mbamin’i Sôkao sy i Timnà ary i Gimzao miaraka amin’ny tanàna kely manodidina azy avy; ka nonenan’ny Filistinina ireny.
19
Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.
20
Dia tonga i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria kanefa nanao fahirano an’i Ahaza fa tsy nanampy azy akory.
21
Efa nakan’i Ahaza ampahany aza ny zavatra tao an- tranon’ny TOMPO sy tao an-dapany ary tao an-tranon’ny manampahefana, ka efa nomeny ny mpanjakan’i Asiria; saingy tsy nahazoany tombontsoa akory izany.
22
Tamin’ny andro nanaovana fahirano azy, dia mbola nanao izay nahadiso amin’ny TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io.
23
Fa ireo andriamanitr’i Damasy, izay andriamanitra nandresy an’i Ahaza, no nanolorany sorona satria hoy izy anakampony hoe: «Nanampy ny mpanjakan’i Siria ireo andriamanitra ireo, ka dia hanolorako sorona koa mba hanampiany ahy.» Kanjo tonga fandravana an’i Ahaza sy ny vahoakany rehetra ireo.
24
Nangonin’i Ahaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ka nomontsamontsaniny; ary nohidiany avy ny varavaran’ny tranon’ny TOMPO. Dia nanaovany alitara teny amin’ny fihaonan-dalana rehetra tao Jerosalema;
25
ary isan-tanànan’ny fanjakàn’i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an’ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
26
Ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaza sy ny zavatra nataony, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.
27
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Ahaza, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema; saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka no nampidirana azy. Ary i Hezekià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36