bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 31
2 Chronicles 31
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
1
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.
2
Najoron’i Hezekià indray ny antokon’ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatra ny fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin’ireo kianjan’ny tranon’ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny Tompo.
3
Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan- tsabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO.
4
Ny olona izay nonina tao Jerosalema dia nasain’i Hezekià nanome ny anjaran’ireo mpisorona sy levita mba hifikirany mafy amin’ny fombam-pivavahana naraikitry ny TOMPO.
5
Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Israelita: dia vary sy divay, menaka sy tantely mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.
6
Ny mponin’ireo tanànan’i Joda, na Israelita tavaratra na Jodeanina, dia nitondra koa ny fahafolon-karena tamin’ny omby sy ondry aman’osy ary ny fahafolon-karena tamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; nentiny avokoa ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ary navosany nitsitokotoko maro ireny.
7
Tamin’ny volana fahatelo no nanombohana nanao izany ary tamin’ny volana fahafito no nahavitana azy.
8
Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.
9
Dia nanontanian’i Hezekià ny mpisorona sy ny levita momba ireo zavatra niavosa ireo.
10
Ka i Hazarià mpisorombe, anisan’ny taranak’i Tsadôka, no namaly azy hoe: –Hatramin’ny niandohan’ny fitondran’ny olona ampaham-bokatra an-tranon’ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.
11
Dia efitrano fitahirizan-javatra no nasain’i Hezekià namboarina tao an-tranon’ny TOMPO; ka rehefa voavoatra izany,
12
dia hatrany hatrany no nampidirana ny ampaham-bokatra sy ny fahafolon-karena ary ny zavatra hafa natokana ho an’ny Tompo. Ilay levita atao hoe Kônanià no mpiandraikitra ireny, ary i Simehỳ rahalahiny no mpanampy azy.
13
Ny tonian’ireny kosa dia i Jehiela sy i Hazazià, i Nahata sy i Hasahela, i Jeremôta sy i Jôzabada, i Eliela sy i Jismahià ary i Mahata sy i Benaià; teo ambany fifehezan’i Kônanià sy i Simehỳ mirahalahy izy ireo, araka ny didin’i Hezekià mpanjaka sy i Hazarià mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra.
14
Ilay levita atao hoe Kôrà, zanakalahin’i Jimnà sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an’Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an’ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.
15
Teo ambany fifehezan’i Korà hatrany hatrany kosa ry i Hedena sy i Miniamîna, i Jesoa sy i Semahià ary i Amarià sy i Sekanià izay tany amin’ireo tanànan’ny mpisorona. Ary adidin’izy enin-dahy ny hizara sakafo ho an’ireo mpiombona asa aminy, na ny lehibe na ny kely,
16
isaky ny lehilahy voasoratra hatramin’ny zazalahy feno telo taona no ho miakatra; ankoatra ireo, dia mahazo zavatra manokana isan’andro koa izay mpisorona sy levita rehetra miditra ao an-tranon’ny TOMPO mba hanao fanompoana amin’ny anjara raharahany araka ny antokony avy.
17
Ny fanoratana ny mpisorona moa dia natao araka ny fianakaviany avy; fa ny levita kosa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia nosoratana araka ny anjara raharahany sy araka ny antokony avy.
18
Fisoratana nahafaoka ny ankohonany rehetra izany, dia ny vadiny sy ny zanany lahy na vavy ary ny olona rehetra vory ao aminy, rehefa nanao ny fidiovan-tena hatrany hatrany ny besinimaro.
19
Ho an’ny mpisorona, taranak’i Aharôna, izay teny amin’ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana isan-tanàna mba hanome anjara ny lehilahy rehetra ary koa hanome anjara ny levita rehetra izay voasoratra.
20
Toy izany no nataon’i Hezekià manerana an’i Joda; ka nanao izay tsara sy mety izy, dia izay hitsiny teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.
21
Fony nirotsaka tamin’ny asa rehetra momba ny fanompoana ny tranon’Andriamanitra ary momba ny lalànany sy ny didiny izy, dia nitady an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo; ka izany no nahazoany fanambinana.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36