bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 5
2 Chronicles 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
1
Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.
2
Tamin’izay fotoana izay dia novorîn’i Salômôna tao Jerosalema ny loholon ’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.
3
Ary tafavory teo amin’ny mpanjaka ny vatan-dehilahy israelita rehetra nandritra ilay fety fanao amin’ny volana fahafito.
4
Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ny mpisorona-levita ny Vatamasina
5
ka nampiakariny niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.
6
I Salômôna mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan’ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman’osy marobe tokoa hany ka tsy tambo nisaina intsony.
7
Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;
8
fa nivelatra tambonin’ny toeran’ny Vatamasina ny elatr’ireo kerobima ka nanarona ny Vatamasina sy ny bao filanjana azy.
9
Lava ihany ireto bao ireto, ka mety hita ny lohany, raha tazanina avy eo amin’ny Toeramasina manoloana ny efitra anatiny, saingy tsy hita kosa avy any ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo bao ireo.
10
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.
11
Dia nivoaka ny Toeramasina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra teo moa dia samy efa nanokan-tena, satria tsy nisy fitandroana ny filaharan’ny antokony tamin’izay).
12
Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.
13
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany », dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
14
ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranon’Andriamanitra.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36