bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 8
2 Chronicles 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
1
Nony afaka ny roapolo taona nanorenan’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO sy ny lapa ho an’ny tenany,
2
dia namboariny ny tanàna izay nomen’i Hirama azy ka namponenany ny Israelita.
3
Dia nanafika an’i Hamata-Tsôbà i Salômôna ka naharesy azy.
4
Namboariny ny tanànan’i Tadmôra tany an-taniefitra sy ny tanàna izay efa naoriny fahiny tao amin’ny faritr’i Hamata mba ho fitahirizam-bokatra.
5
Namboariny koa i Bety-Hôrôna ambony sy i Bety-Hôrôna ambany, izay samy tanàna mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy;
6
toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanàna rehetra fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan’i Salômôna avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny.
7
Mbola nisy sisa tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amôrita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita.
8
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
9
Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin’i Salômôna izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.
10
Ary ny isan’ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin’i Salômôna dia nisy 250 lahy izay nanam-pahefana tamin’ny olona mpiasa.
11
Nasain’i Salômôna niakatra avy any an- tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin’ny Farao; fa hoy i Salômôna anakampony hoe: «Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan’i Davida mpanjakan’i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran’ny Vatamasin’ny TOMPO.»
12
Tamin’izay i Salômôna dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan’ny vavahadin’ny Toeramasina.
13
Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.
14
Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.
15
Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.
16
Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain’i Salômôna, hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon’ny TOMPO.
17
Tamin’izay i Salômôna dia nankany Hetsiôny-Gebera sy Elôta eo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara any amin’ny tany Edôma.
18
Dia nandefa sambo sy matilò mahay ranomasina i Hirama, tamin’ny alalan’ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin’ny tantsambon’i Salômôna ho any Ôfira ireo, ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36