bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 14
2 Chronicles 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 15 →
1
Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny i Asà,
2
fa noravany ny alitara aman- toeram-panasinan ’ireo firenena vahiny, notorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ary nokapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.
3
Nomeny baiko ny Jodeanina hitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany sy hankatò ny lalànany sy ny didiny.
4
Noravan’i Asà ny toeram-panasinana sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra teny amin’ny tanàna rehetra manerana an’i Joda; ka nandry feizay ny fanjakana nandritra ny fitondrany.
5
Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany
6
sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara.
7
Ary nanan-tafika i Asà, dia miaramila jodeanina nisy antokony telonjato samy mpirongo ampinga lehibe sy lefona ary koa miaramila benjaminita nisy antokony 280 samy mpirongo ampinga maivana sy tsipîka; ireo rehetra ireo dia vantan-dehilahy maherifo avokoa.
8
Ary i Zera, ilay Etiôpianina, dia niainga hiady tamin’izany tafika izany sady nitondra miaramila nisy antokony arivo sy kalesy telonjato, ka tonga tao Maresà.
9
Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.
10
Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: –TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.
11
Dia noresen’ny TOMPO teo anoloan’i Asà sy ny miaramila jodeanina ireo Etiôpianina ka nandositra
12
ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.
13
Nasian’ny tafik’i Asà koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria nataon’ny TOMPO voagejan’ny horohoro ireo; dia norobain’ny tafik’i Asà avokoa ny tanàna, ka nahazoany babo betsaka.
14
Nasiany koa ny vala fitobian’ny biby fiompy, ka namaboany ondry aman’osy marobe sy rameva. Avy eo dia niverina ho any Jerosalema i Asà sy ny tafiny.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36