bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 4
2 Chronicles 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
1
Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.
2
Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.
3
Tambanin’ny molotr’ilay fitobian-drano goavana, tamin’ny manodidina azy manontolo, dia nisy sarin’ombalahy folo isaky ny antsasa-metatra; roa andalana ireo nifanongoa ireo ary niara-narendrika tamin’ilay fitobian-drano.
4
Tambony sarin’ombilahy halimo 12 no nipetrahan’ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavana dia teo ambonin’ireo sarin’ombalahy izay nifampiamboho ireo.
5
Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.
6
Dia nanao ny kovetabe halimo folo i Horama mba ho fanasàn-tsorona, ka ny dimy napetraka teo amin’ny ankavanana, fa ny dimy teo amin’ny ankavia; ny zavatra fanao sorona dorana manontolo no nakobaka teo. Ny fitobian-drano goavana kosa dia fidiovan’ny mpisorona.
7
Dia nanao ny fitoeran-jiro volamena folo, araka ny toromarika, i Horama ka napetrany tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia.
8
Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.
9
Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.
10
Ilay fitobian-drano goavana dia napetrany teo amin’ny lafiny havanana, teo amin’ny zorony atsimo atsinanana.
11
Rehefa vitan’i Horama ny vilany fanangonan-davenona sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa ny asa izay nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:
12
ny andry anankiroa, ny koronosy boribory anankiroa teo an-tampon’ny andry, ny harato anankiroa nafono ny koronosy,
13
ny sarin’ampongabendanitra efajato nahantona tamin’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana isaky ny harato.
14
Nataon’i Horama ny kalesy mbamin’ireo kovetabe fametraka eo amboniny,
15
sy ilay fitobian-drano goavana mbamin’ny sarin’ombalahy 12 teo ambaniny,
16
ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.
17
Tao amin’ny lohasahan’i Jôrdàna no nasain’i Salômôna narendrika tao amin’ny tany be tanimanga ireo kojakoja ireo, dia teo anelanelan’i Sokôta sy i Tseredatà.
18
Nampanao fitaovana maro dia maro i Salômôna, hany ka tsy hay notombanana intsony izay lanjan’ny halimo nampiasaina.
19
Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,
20
ny fitoeran-jiro mbamin’ny lelan-jiro hampirehetina eo anoloan’ny efitra masina indrindra, araka ny fomba, dia samy volamena madio avokoa,
21
ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro, izay momba ny fitoeran-jiro, dia samy volamena faran’izay tsara;
22
ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitoeran-davenon-jiro, dia samy volamena madio; ny lelavaravarana, na ny mankao amin’ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin’ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36