bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 2
2 Chronicles 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
1
Ary i Salômôna nandray mpiasa 70 000 ho mpitondra entana, 80 000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3 600 ho mpifehy azy ireo.
2
Naniraka olona hankany amin’i Hirama mpanjakan’i Tiro i Salômôna hanao hoe: «Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko, izay nampanateranao hazo sedera hanaovany trano fonenana, no aoka hataonao amiko.
3
Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.
4
Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.
5
Nefa iza no afaka manao tempoly ho Azy? Fa ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Azy. Ary iza aho no mihambo hanao tempoly ho Azy, afa-tsy toerana handoroana sorona hanetona eo anatrehany ihany!
6
Ankehitriny àry, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin’ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin’ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin’ireo mpahaikanto eto amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.
7
Andefaso hazo sedera sy kipreso ary hazo sarobidy avy any Libano koa aho, satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libano ireo mpiasanao; ary indreto ny mpiasako fa hiaraka amin’ny mpiasanao
8
mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy, fa ny trano izay tiako hatao dia ho lehibe sy higagana.
9
Koa indro aho hanome varimbazaha sy vary ôrza samy enina arivo taonina ary koa divay sy menaka samy 800 000 litatra avy, ho sakafon’ireo mpiasanao mpikapa hazo.»
10
Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.»
11
Hoy koa i Hirama: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an’ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany.
12
Ankehitriny, indro irahiko atỳ aminao ny lehilahy anankiray manampahaizana sady mahira-tsaina, dia i Horama-Abỳ
13
zanaky ny vehivavy danita sy lehilahy tirianina. Izy io dia mahay miasa volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary koa vato sy hazo, mahay mamboatra lamba jaky sy volomparasy ary menamena sy lamba rongony fotsy, mahay ny karazan’asa sokitra rehetra sady mahay mamolavola tetikasa amin’ny zavatra rehetra asaina ataony; ka dia hiara-miasa amin’ny mpahaikanto anananao sy nananan’itompokolahy Davida rainao izy.
14
Ny varimbazaha sy ny vary ôrza ary ny menaka sy ny divay izay nolazainao, ry andriamanjaka, dia aoka hampanaterinao ho atỳ aminay.
15
Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.»
16
Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
17
Ka ny 70 000 dia nataon’i Salômôna mpitondra entana, ny 80 000 nataony mpipai-bato teny an-tendrombohitra, ary ny 3 600 nataony mpifehy ireo mpiasa ireo.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36