bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 1
Ezekiel 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 2 →
1
Tamin’ny fahatelopolon-taonako, fony andro fahadimin’ny volana fahefatra, izaho Ezekiela zanakalahin’i Bozỳ mpisorona dia tao anivon’ireo Jiosy babo teo amoron’ny ony Kebara; nisokatra ny lanitra ary nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho. Taona fahadimy taorian’ny naha lasan-ko babo an’i Jôiakina mpanjaka tamin’izay. Koa teo amoron’io ony Kebara tany amin’ny tanin’ny Babilônianina io, no nisy tenin’ny TOMPO tamiko, sady nihazona ahy tamin’ny heriny IZY.
4
Koa izao no hitako: tafio-drivotra tonga avy any avaratra, nitondra rahona matevina sady namoaka tselatra. Voahodidina hazavana ilay rahona, ary ny afovoany izay mivaivay dia nanjelanjelatra toy ny vy mangirana.
5
Hita miavaka tao amin’io ivon-drahona io ny endrika zava-miaina efatra izay toa olombelona no fijery azy.
6
Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7
Mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia toy ny kitron’ombilahikely, ka mamirapiratra toy ny halimo voadio.
8
Teo ambanin’ny elatra efatra dia samy nisy tanan’olona iray avy; ary ireny tanana ireny dia nitodika ho amin’ny lafiny efatra nanaraka ny tarehy sy ny elany avy.
9
Nifanendry ny tendron’ny elany; ary samy nandroso ho amin’izay hitsiny avy izy, fa tsy niherika rehefa nandeha.
10
Samy nanana ireto tarehy ireto avy izy: tarehin’olona no teo anoloana, tarehina liona no teo ankavanana, tarehin’ombilahy no teo ankavia ary tarehina voromahery no teo ivoho.
11
Ny roa amin’ireo elany dia nitsotra miakatra ka nifanendry ny tendrony, fa ny roa kosa nanarona ny tenany.
12
Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ireo zava-miaina ireo, ary nandeha tamin’izay nitondran’ny Fanahy azy fa tsy niherika.
13
Teo anelanelan’ireo zava-miaina dia tazana ho nisy toy ny vainafo; ary nihetsiketsika toy ny fanilo no fijery azy. Namirapiratra ny afo, ary nisy tselatra nivoaka avy tao aminy.
14
Ireo zava-miaina ireo koa dia nifanaretsaka tetsy sy teroa sady nitsoriaka toy ny varatra.
15
Raha nandinika ny zava-miaina efatra aho, dia nahita fa teo anilan’ny tsirairay avy dia nisy kodiarana iray nitehika tamin’ny tany.
16
Nanana endrika manjelanjelatra toy ny vatosoa ireo kodiarana. Nitovy bika izy efatra ary toa samy voarafitra ho kodiarana mifampidipiditra.
17
Afaka mandroso ho amin’ny lafiny efatra izy nefa tsy mila mihodina.
18
Mahatahotra ny refin’ny savaivony ary rakotra taratra mamirapiratra ny manodidina azy manontolo.
19
Rehefa nandroso ireo zava-miaina, dia mba nandroso avy hatrany teo anilany koa ireto kodiarana; rehefa niakatra niala tamin’ny tany izy, dia mba niakatra koa ireto.
20
Nandeha tamin’izay nitondran’ny Fanahy azy izy ka nandroso niaraka taminy koa ireto kodiarana, satria ny fanoitran’ny zava-miaina no nanetsika ireo kodiarana ireo.
21
Koa isaky ny nandroso izy na nijanona na niakatra niala tamin’ny tany, dia niara-nanao fihetsika toy izany koa ireto kodiarana satria ny fanoitran’ireo zava-miaina no nanetsika azy.
22
Teo ambony lohan’ireo zava-miaina dia nisy toa andohalambo namirapiratra toy ny kristaly manjelanjelatra.
23
Teo ambanin’izany andohalambo izany no samy namelatra ny elany roa nifanitsy sy nifanendry ny zava-miaina tsirairay, fa ny elany roa sisa kosa nanaronany ny tenany.
24
Ary nandre ny fikopakopaky ny elany aho rehefa nanidina ireto zava-miaina, fa toy ny firohondrohon’ny ranomasina izany, sy tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha na ny fireondreonan’ny tafika marobe. Rehefa nijanona kosa izy, dia nafihiny ny elany.
25
Avy tao ambonin’ny andohalambo izay teo ambony lohany dia naharenesako feo ihany koa.
26
Tazako tao fa nisy toa sezafiandrianana miendrika vato safira; ary teo ambonin’izany toa sezafiandrianana izany, terỳ an-tampon’ny andohalambo dia nisy hoatra endrik’olombelona.
27
Hitako fa namirapiratra tahaka ny vy mangirana izany endrika izany, sady toa voahodidina afo. Ary teo ambony sy teo ambanin’izay hoatra ny tehezany, dia tazako nisy toy ny afo nandrakotra hazavana azy.
28
Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an’ny avana izay mamirapiratra amin’ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka hatreo amin’ny tany, ary nandre feo niteny tamiko.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48