bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 24
Ezekiel 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 25 →
1
Tamin’ny taona fahasivy taorian’ny fahababoana, nony andro fahafolon’ny volana fahafolo, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, raiso an-tsoratra ny datin’andro anio, satria mitsingerina anio ny nanombohan’ny mpanjakan’i Babilôna nanao fahirano an’i Jerosalema.
3
Arosoy amin’ny vahoakako maditra ity fanoharana ity, ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Manomàna vilany iray eo an-tokoana ka asio rano ao anatiny.
4
Ary vongan-kena no arotsahy ao, dia ny vongany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; ary fenoy taolana voafantina izany.
5
Ondry voafantina no akao ny hena. Ary tohofy kitay ao ambanin’ny vilany; dia ampangotrahy tsara ireo rehetra ireo, satria handrahoina ihany koa ny taolana.›
6
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY dia milaza hoe: ‹Lozan’ny tanàna mpamono olona! Ny anoharana azy dia vilany misy harafesina ka harafesina tsy mety afaka ao anatiny. Loary tsirairay tao ny vongan-kena, fa aza misy anaovana antsapaka havela.
7
Eny, mbola ao an-tanàna ny ra izay nalatsany; teo ambony vato mangadihady no nandrarahany azy, fa tsy naidiny teo amin’ny tany kosa mba ho voatototry ny vovoka.
8
Dia navelako tsy hitototra teo ambony vato mangadihady teo ny ra izay nalatsany, mba hampitroatra ny hatezerako ka hampiharana ny famaizako.›
9
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Lozan’ny tanàna mpamono olona! Izaho mihitsy no hanamboatra fatana goavana handoroana azy.
10
Atohofy betsaka ny kitay, dia areheto ny afo, andrahoy ho masaka tsara ny hena, ka asio zava-manitra ho fangarony; ary aoka ho may tanteraka ny taolana.
11
Eo ambonin’ny vainafo eo kosa no ataingeno ilay vilany foana mba hampafana azy sy hahatonga ny halimo ho mena; aoka ho levona amin’izay ireo loto ao anatiny ary aoka ho kila tanteraka ny harafesiny.›
12
Nefa very maina ny ezaka rehetra hanalana ny harafesina! Betsaka loatra ny harafesin’ilay vilany ka tsy afaky ny afo.
13
Ry Jerosalema, nandoto tena tamin’ny filibànao ianao. Te ho nanadio anao Aho, nefa tsy nety voadio ianao. Koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoanao ianao ambara-pialan’ny fahatezerako manontolo aminao.
14
Izaho TOMPO no miteny, ka ho tonga izany ary hampihariko tsy misy fisalasalana na nenina na indrafo. Araka ny toetranao sy ny asanao no hanamelohana anao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
15
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
16
«Ry ilay taranak’olombelona, halaiko tampoka tsy ho eo aminao ilay fifalian’ny masonao. Nefa tsy hitaraina na hitomany na handrotsa-dranomaso akory ianao.
17
Tano ho anao ny alahelonao fa aza manao fisaonana. Afehezo eny an-dohanao ny hamama ary manaova kapa toy ny mahazatra ianao, aza misarona endrika na mihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.»
18
Dia niteny tamin’ny vahoaka aho ny maraina; ary ny harivan’iny ihany dia maty ny vadiko. Nony ampitso maraina dia nanao araka izay efa nandidian’ny Tompo ahy aho.
19
Koa niangavy ahy ny olona mba hanazava aminy ny anton’izao fihetsiko izao.
20
Dia hoy aho taminy: «Nisy tenin’ny TOMPO tamiko niangavy ahy
21
hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehànareo fatratra sy fifalian’ny masonareo ary fanantenàm-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin’ny sabatra.
22
Dia hanao tahaka an’i Ezekiela ianareo, tsy hisarona endrika ary tsy hihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.
23
Hofehezinareo eny an-dohanareo ny hamama, ary hanaovanareo ny kapanareo, tsy hitaraina ianareo sady tsy hitomany. Nefa hihareraka ianareo noho ny fahadisoanareo, ary hifampitoloko ianareo samy mpiray firenena.
24
Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo, dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.›
25
«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan’ny voninahiny ary fifalian’ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy.
26
Amin’izany andro izany dia hisy olona iray handositra ka ho avy hampandre anao ny vaovao.
27
Androtr’iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin’io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an’ny vahoakako, ka amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48