bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 30
Ezekiel 30
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 31 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao ka ambarao fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Midradradradrà ny amin’ny andro ho avy ianareo!
3
Fa antomotra izy, eny, antomotra ny androm-pamaizan’ny TOMPO. Ho andro vesaran-drahona izany, ary fotoana hifamelezan’ny firenena.
4
Hiditra any Ejipta ny ady, ka hampangorohoro hatrany Etiôpia izany. Hiampatrampatra ny fatin’ny Ejiptianina, ary horobaina ny hareny ka hatao rava mbamin’ny fanorenany.
5
Ny olona avy any Etiôpia sy Pota ary Loda, ny olona avy any Arabia manontolo sy Libia, mbamin’ny teraky ny vahoakako aza, dia hisy ho faty an’ady.
6
Izao no lazain’ny TOMPO: Hatreo Migdôla any avaratra ka hatrany Asoana any atsimo dia ho faty an’ady ireo mpiaro an’i Ejipta, ary ho fefika ny tafiny miavonavona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
7
Ho rava dia ho rava ny taniny, ary ho lao dia ho lao ny tanànany.
8
Ary rehefa hodorako amin’ny afo i Ejipta sady haringako ireo rehetra mpiaro azy, dia hoekena amin’izay fa Izaho no TOMPO.
9
Amin’izany andro handravako an’i Ejipta izany, dia hisy iraka avy amiko handeha an-tsambo hampandre ny Etiôpianina; ka izy no hampatahotra sy hampangorohoro ny Etiôpianina izay mitoetra tsy manahy. Eny, indro avy izany andro izany.
10
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hampiasaiko i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mba handringana ny mponina maro ao Ejipta.
11
Ho avy handrava io tany io izy mbamin’ny miaramilany, izay loza indrindra raha samy tafi-pirenena. Hanatsoaka sabatra hamely ny Ejiptianina ireny ka hameno faty ny tany.
12
Horitiko ny sakeli-dranon’i Neily ary hatolotro an’ireo olon-dia i Ejipta. Hasaiko simban’ny vahiny izy, ka hofaohiny mbamin’izay rehetra ao aminy. Izaho TOMPO no miteny izany.
13
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Horavako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an’i Memfîsa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.
14
Hosimbako i Ejipta ambony, hodorako amin’ny afo ny tanànan’i Tsôhàna ary hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana ny tanànan’i Nao.
15
Hatosako ao Sina izay tanànamimanda miaro an’i Ejipta ny fahatezerako ary hofongorako ny mponina maro ao Nao.
16
Hodorako amin’ny afo i Ejipta. Hisavoritaka ny mponina ao Sina; ary hisy vaky ny mandan’i Nao ka ho safotry ny rano ilay tanàna.
17
Ho faty an’ady ny tovolahin’i Ôna sy i Py-Beseta, ary ny mponina sisa dia hoentina ho babo.
18
Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.
19
Hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana an’i Ejipta, ka hoekena amin’izay fa Izaho no TOMPO.»
20
Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro fahafiton’ny volana voalohany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
21
«Ry ilay taranak’olombelona, nopotehiko ny sandrin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta. Tsy nisy nitsabo na nanome fanafody azy, tsy nisy namehy ny feriny mba hampody ny heriny hahatan-tsabatra indray.
22
Koa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely ny Farao mpanjakan’i Ejipta Aho. Ny sandriny roa mihitsy no hopotehiko, tsy ilay efa potika ihany fa ilay mbola matanjaka koa, ka hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabany!
23
Ary haeliko any amin’ireo firenena sy haparitako any amin’ny tany samy hafa ny Ejiptianina.
24
Homeko tanjaka ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany. Ary ny Farao, izay efa nopotehiko ny sandriny, dia ho faty mitoloko toy ny voaratra eo anoloan’ny fahavalony.
25
Eny, hiraviravy tsy hanan-kery ny sandrin’ny Farao; fa homeko tanjaka kosa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany sy harangarangany hamelezana an’i Ejipta. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
26
Haeliko any amin’ireo firenena sy haparitako any amin’ny tany samy hafa ny Ejiptianina; ka amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO›. »
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48