bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 19
Ezekiel 19
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 20 →
1
Ary ny Tompo niteny tamiko mba hivetso izao tononkiram-palahelovana izao ny amin’ireo andrianan’i Israely
2
ka hanao hoe: «Ny reninareo ve? Toy ny liom-bavy izy no namitsaka teo afovoan’ireo lion-dahy! Teo anivon’ny liona tanora izy no nitorovoka nampinono ny zanany.
3
Nanabe ny anankiray tamin’ireo izy; ka nony liona tanora matanjaka io, dia nianatra namiravira haza sady nihinana olona.
4
Nahare ny lazany ny hafa firenena dia namandrika azy hatao anaty lavaka, ary nanisy farango vy tamin’ny orony sy nitondra azy nankany Ejipta.
5
Rehefa tsapan’ilay liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nalainy ny iray hafa tamin’ireo zanany ka notezainy ho tonga liona tanora matanjaka.
6
Niriaria teo anivon’ny lion-dahy izy io, ka nony tonga liona tanora matanjaka, dia nianatra namiravira haza ihany koa sady nihinana olona.
7
Namotika ny lapan’ireo izy ary nandrava ny tanànany. Raiki-tahotra ny mponina teo amin’ny tany, raha vao nandre ny fieronerony.
8
Koa ireo hafa firenena manodidina, avy amin’ny faritra samihafa, dia nivondrona hamely azy ka namelatra harato hahazoana azy ary namandrika azy hatao anaty lavaka.
9
Nasiany farango vy tamin’ny orony izy, dia nohidiny tao anaty vata makarakara ary nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna; dia nataony an-tranomaizina izy mba tsy ho re mieronerona intsony eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.»
10
«Ny reninareo dia tahaka ny voaloboka iray nambolena teo amoron-drano. Nilonjehitra voa sy nanaroka izy noho ny rano be nanondraka azy,
11
ka nisy rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy; dia nisondrotra avo nitehi-drahona izy, ka nikoizana noho ny haavony mbamin’ny hamaroan’ireo rantsany.
12
Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.
13
Ankehitriny izany voaloboka izany dia voavoly any an-taniefitra ao amin’ny tany maina sy karankaina.
14
Nisy afo nivoaka avy tao amin’ny tahony ka nandevona ny rantsany sy ny voany; dia tsy misy intsony rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy.» Tononkiram-palahelovana izany ka tokony hohiraina amin’alahelo.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48