bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 45
Ezekiel 45
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 46 →
1
«Rehefa mizara ny tany ho an’ny isam-poko eo amin’ny Israelita ianareo, dia hisy ampahany havahanareo ho an’ny TOMPO: anjara voatokana ho Azy amin’ny tany izany ka hisy 12 km sy sasany ny lavany ary 10 km ny sakany; voatokana manontolo ho an’ny Tompo izany faritany izany.
2
Io faritany io no hamaritana vakim-paritra iray izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 5 km ny sakany. Ao anatin’io vakim-paritra io dia hisy tany ho an’ny tempoly: tany iray efamira ka samy 250 metatra avy ny lafiny tsirairay sady voahodidina toera-malalaka 25 metatra ny velarany, ka ao no hisy ny tempoly izay toerana manan-kasina fatratra.
4
Ho masina io vakim-paritra io eo amin’ny tany fa natokana ho an’ny mpisorona izay manatanteraka ny asa fanompoana ny TOMPO ao an-tempoly. Amin’izay tokoa dia hisy toerana ho an’ny tranon’ireo mpisorona sy toerana voatokana ho an’ny tempoly.
5
Ilay vakim-paritra iray hafa, mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 5 km ny sakany, dia natokana ho an’ny levita izay manana anjara raharaha ao amin’ny tempoly. Hanana tanàna izay honenany ao koa ireny.
6
Manaraka ny halavan’io faritra izay natokana ho an’ny Tompo io, dia hamaritana vakim-paritra iray hafa koa izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 2 km sy sasany ny sakany mba hanorenana tanàna iray ahazoan’ny Israelita tsirairay monina.
7
Ny printsy filoha dia homena tany iray eo anelanelan’ny faritra voatokana ho an’ny Tompo sy ny toerana misy ny tanànan’ny Israelita. Izany tany izany dia hitohy miankandrefana hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea ary miantsinanana hatrany amin’ny sisin-tanin’i Israely any atsinanana. Hitovy halava amin’ny zaratanin’ny foko tsirairay izy.
8
Koa ireo printsy dia hanana ny anjara taniny manokana ao Israely ka tsy hampahory ny vahoakan’ny Tompo intsony izy, fa hamela ny faritra sisa amin’ny tany ho an’ireo fokon’i Israely.»
9
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tafahoatra loatra ny nataonareo, ry printsy filohan’i Israely. Koa ialao ny herisetra sy ny fitondrana jadona, manaova ny rariny sy ny hitsiny, atsaharo ny fandrobanareo ny vahoakako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
10
«Aoka samy hampiasa mizàna sy fandrefesana marina.
11
Ny efà ho an’ny voa madinika ary ny bata ho an’ny ranon-javatra, hitovy fatra ireo famarana roa ireo ka samy hahalany ampahafolon’ny hômera avy, fa ny hômera no ho fatra fototra.
12
Ny sekela volafotsy dia ho gera roapolo, ary ny sekela enimpolo kosa no ho mina iray.
13
Toy izao no ampahany havahanareo amin’ny fanatitra ataonareo: ampahenimpolon’ny vokatra varimbazaha na vary ôrza,
14
ary ampahazaton’ny vokatra diloilo no homenareo. Ny bata iray misy ampahafolon’ny hômera sy ampahafolon’ny kôra no hamaranareo ny diloilo.
15
Ary farany momba ny biby fiompy eny amin’ny kijànan’i Israely: iray isaky ny ondry na osy roanjato no havahanareo. Ka izay navahanareo dia hatolotrareo ho fanatitra vokatry ny tany na ho sorona dorana manontolo na ho sorom-pihavanana mba hahazoanareo famelan-keloka. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
16
«Ny olona rehetra eo amin’ny tany no hanefa izany tolotra izany ho an’ny printsy filohan’i Israely.
17
Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»
18
Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany dia hatao sorona ny ombilahy iray tsy misy kilema mba hanadiovana ny Toeramasina.
19
Hangalan’ny mpisorona ny ran’ilay biby natao sorona ka hatentiny amin’ireo tolam-bavahadin’ny tempoly sy amin’ireo zoro efatry ny marin-tampon’ny alitara ary amin’ireo tolam-bavahadin’ny kianja anatiny.
20
Tahaka izany koa no hatao amin’ny andro fahafiton’io volana io ho an’izay olona nanota tsy nahy na tsy amim-pahalalana. Toy izany no hanadiovana ny tempoly.
21
«Ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany no hanombohanareo mankalaza ny fetin’ny Paska. Haharitra fito andro izany, ka mandritra izany no hihinananareo mofo tsy misy leviora.
22
Ny andro voalohany amin’ny fety no hanoloran’ny printsy filoha ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoakany rehetra.
23
Ankoatra izany, isan’andro mandritra ny fito andro, dia hanolotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema hatao sorona dorana manontolo amiko TOMPO izy ary koa hanolotra osilahy iray isan’andro hatao sorona fanalana ny ota.
24
Ary farany dia hanao fanatitra varimbazaha telopolo kilao miampy diloilo enina litatra koa izy, isaky ny ombilahy sy ondrilahy natao sorona.
25
«Ary ny amin’ilay fety, izay manomboka rehefa andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia tahaka ny amin’ny fetin’ny Paska ihany no hataon’ny printsy filoha, isan’andro mandritra ny fito andro: na ny sorona fanalana ny ota izany na ny sorona dorana manontolo na ny fanatitra varimbazaha sy diloilo.»
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48