bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 4
Ezekiel 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 5 →
1
Dia nampian’ny Tompo hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, makà takela-tanimanga iray ianao ary apetraho eo anatrehanao; dia manaova sarin-tanàna eo aminy hoenti-maneho an’i Jerosalema.
2
Asehoy fa voan’ny fahirano izy amin’ny fametrahana hady fanafihana sy tovon-tany ary tobim-pamelezana sy kanontabe manodidina azy.
3
Makà takela-by ka apetraho izany ho toy ny manda manelanelana anao sy ny tanàna. Banjino tsara ny tanàna: voan’ny fahirano izy izao, ary ianao no manao fahirano azy. Izany dia ho marika fampitandremana ho an’ny taranak’i Israely.
4
«Dia mandria ilika amin’ny ilanao havia ianao; fa araka ny haharetanao amin’izany fomba fandry izany no hivesaranao ny fahotan’ny fanjakàn’i Israely, fa ianao no hivesatra azy.
5
Ferako hitovy isa amin’ny taona nanotan’i Israely no hanaovanao izany. Koa ho 390 andro no hivesaranao ny fahotany.
6
Rehefa mifarana izany fotoana izany, dia mivadiha ianao handry amin’ny ilanao havanana; ka mandritra ny efapolo andro no hivesaranao ny fahotan’ny fanjakàn’i Joda. Ferako ho andro iray isaky ny taona iray nanotany no hanaovanao izany.
7
Aorian’izany dia banjino i Jerosalema voafahirano; ary ahinjiro manandrify azy ny sandrinao mihanjaka, ka lazao ny hafatra avy amiko hamelezana io tanàna io.
8
Ary hafatotro ianao mandritra ny fanaovanao fahirano mba tsy hahafahanao mivadibadika.
9
Koa makà varimbazaha sy ôrza, tsaramaso sy voanemba ary ampemby sy vary henjana, dia ampifangaroy anaty vilia iray ireo mba hanaovanao mofo. Izany no ho sakafonao mandritra ny 390 andro izay handrianao amin’ny ilanao.
10
Fahefa-kilao isan’andro no sakafo hohaninao: ataovy ampy anao izany ambara-pahatongan’ny andro manaraka.
11
Ferana ho iray litatra isan’andro koa ny rano hosotroinao.
12
Hatao miendrika mofo ôrza ny sakafonao, ka dikin’olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imason’ny besinimaro.»
13
Dia mbola nampian’ny TOMPO hoe: –Ho tahaka izany no hihinanan’ny Israelita sakafo maloto any amin’ny tanin’ny firenen-kafa izay handroahako azy.
14
Dia namaly aho hoe: –Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin’ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty ho azy na voaviraviran’ny bibidia aho, ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.
15
Ka hoy ny Tompo tamiko: –Raha izany àry, dia tain’omby no omeko anao ho solon’ny dikin’olona; ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16
Ary hoy indray ny Tompo tamiko: –Ry ilay taranak’olombelona, hitanao izao fa hosimbako ny tahiri-mofon’i Jerosalema. Tsy maintsy hametra mafy ny hanina sy ny fisotrony ny olona, ka ho azom-panahiana amin’izany.
17
Tsy hanana mofo sy rano ny olona, ka hivarahontsana sy hihalevona noho ny fahotany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48