bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 32
Ezekiel 32
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 33 →
1
Tamin’ny taona faha-12 taorian’ny fahababoana, nony andro voalohan’ny volana faha-12 dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, hirao ity hira fisaonana ny amin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta ity ka ambarao aminy hoe: ‹Tahaka ny liona tanora ianao teo anivon’ireo firenena. Nefa toy ny fanano ao anaty ranobe koa ianao ka nikofokofoka teny amin’ny oninao; nakobankobanao tamin’ny tongotrao ny rano ka izany no nandotoanao ny fikorianany.
3
‹Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Rehefa tafangona ny firenena maro, dia hosaronako harato ianao, ka hakarin’ireo ho eny amoron-drano amin’io haratoko io.
4
Hatsipitsipiko eny an-tanety ary hazerazerako eny an-tsaha ianao, dia hampitangoronako ny voromanidina isan-karazany ianao ary homeko hivokisan’ny bibidia rehetra amin’ny tany.
5
Ary ny nofonao sisa dia haeliko eny an-tendrombohitra sy hamenoako ny lohasaha.
6
Hampisotroiko ny ranao ny tany, ka ho rakotra azy ny tendrombohitra ary ho feno azy ny lalan-driaka.
7
Rehefa maty ianao, dia hohamaiziniko ny lanitra, hosaronako ny fahazavan’ny kintana, hotakonako rahona ny masoandro ary tsy hamirapiratra intsony ny hazavan’ny volana.
8
Noho ny aminao, dia hosaronako ny fahazavana rehetra eny an-danitra, ary horakofako haizina ny taninao; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
9
Hataoko mitebiteby ny fon’ny firenena maro, hatrany amin’ny tany izay tsy fantatrao akory aza, rehefa hampandrenesiko azy ny faharavanao.
10
Ho talanjona ireo firenena maro ireo noho ny namelezako anao. Hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa harangarangako eny ambony lohany ny sabatro. Amin’ny andro haharavanao dia hangovitra tsy an-kitsahatra izy fa samy manahy momba ny ainy.
11
‹Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hibosesika ao aminao ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna.
12
Ireo miaramila masiaka indrindra amin’ny samy tafi-pirenena no halefako hamono ho faty ireo vahoakanao marobe. Horavany i Ejipta fatra-pirehareha ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra.
13
Haringako ny biby fiompy rehetra izay anananao eny amoron’i Neily, ary tsy hisy tongotr’olona na kitrom-biby fiompy hanakobana sy handoto intsony ny rano.
14
Hampandrîko ho tony izy ka hikoriana milamina toy ny diloilo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
15
Hovàko ho tany ngazana i Ejipta, ka ny zavatra nameno azy dia hofongorako tsy hisy intsony ary haringako ny mponina rehetra ao aminy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.›
16
«Izany no hira fisaonana hohirain’ny vehivavin’ny firenen-drehetra ny amin’i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
17
Tamin’ny taona faha-12 taorian’ny fahababoana, nony andro faha-15 tanatin’ny volana faha-12, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
18
«Ry ilay taranak’olombelona, mitolokia ny amin’ny vahoaka maroben’i Ejipta. Izany no ampidino azy miaraka amin’ireo mponin’ny firenen-kafa ho any ambanin’ny tany, izay toerana fidinan’ny maty.
19
Lazao azy hoe: Heverinareo angaha fa hanaovana fitondrana manokana noho ny hafa ianareo? Midîna ianareo hiampatra miaraka amin’ireo tsy voafora hafa izay maty an’ady.
20
Fa ny Ejiptianina dia ho faty eo an-tany fiadiana. Efa voatsoaka ny sabatra; aoka izy handripaka ny tafika ejiptianina manontolo.
21
Any amin’ny toeran’ny maty ireo mpiady maherifo sy ireo mpanampy an’i Ejipta taloha dia hihorakoraka hoe: ‹Midina hiampatra miaraka amintsika atỳ koa ireo tsy voafora maty an’ady ireo!›
22
«Any koa no tafangona ny tafika asirianina manontolo sady voahodidin’ny fasany; samy voatrabaka sy maty an’ady avokoa izy rehetra.
23
Sehatra lalina indrindra amin’ny toeran’ny maty no misy ny fasany. Samy maty an’ady avokoa izy rehetra, dia ireo izay nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona.
24
«Any koa no tafangona ny tafika helamita manontolo sady voahodidin’ny fasany; samy voatrabaka sy maty an’ady avokoa izy rehetra. Ireo tsy voafora ireo, izay nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona, dia naidina any ambanin’ny tany. Izao izy rakotry ny henatra miaraka amin’ireo efa tafidina any.
25
Teo anivon’ireo maty no nanomezana fandriana ho an’ny tafika helamita manontolo izay voahodidin’ny fasany. Olona tsy voafora izy rehetra ireo sady maty an’ady. Nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona izy, kanjo indreo fa miampatra rakotry ny henatra miaraka amin’ireo efa tafidina any an-davaka ambany any sady voapetraka eo anivon’ireo maty.
26
«Any koa ny terak’i Mesèka sy i Tobala, dia ny tafiny manontolo voahodidin’ny fasany. Olona tsy voafora izy rehetra ireo sady maty an’ady, satria nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona!
27
Ireo tsy voafora ireo dia tsy mba nalevina niaraka tamin’ireo mpiady maherifo maty fahiny; ireto maherifo ireto, na dia nampihorohoro teny amin’ny tanin’ny velona aza, dia naidina tany amin’ny toeran’ny maty niaraka tamin’ny fitaovam-piadiany, ka ny sabany natao teo ambany lohany ary ny ampingany napetraka teo ambonin’ny vatany.
28
Ianareo Ejiptianina koa izao dia haripaka ary hiara-miampatra amin’ireo tsy voafora maty an’ady.
29
«Any koa ny terak’i Edôma mbamin’ireo mpanjakany sy ireo rehetra mpifehy azy. Na dia nahery fo aza izy, dia atao tahaka ireo maty an’ady hafa rehetra, ka hiampatra any an-davaka ambany any miaraka amin’ireo rehetra tsy voafora izay tafidina any.
30
«Any koa ireo rehetra mpitondra ny vahoaka any avaratra mbamin’ireo Tsidônianina rehetra izay nidina ho any amin’ny maty. Nahery fo tokoa ireny ary nampihorohoro, fa ankehitriny ireny tsy voafora ireny dia miampatra rakotry ny henatra, miaraka amin’ireo hafa rehetra maty an’ady. Mitondra fahafaham-baràka izy miaraka amin’ireo rehetra tafidina any an-davaka ambany any.
31
«Raha mahita ireo mpiady rehetra ireo any ny Farao, dia hionona ny amin’izay manjo ny tafiny manontolo; fa ny tenany dia ho faty an’ady koa miaraka amin’ny miaramilany rehetra; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
32
Navelako hampihorohoro teny amin’ny tanin’ny velona ny Farao, fa ankehitriny kosa izy mbamin’ny tafiny manontolo dia halevina miaraka amin’ireo tsy voafora maty an’ady; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48