bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 42
Ezekiel 42
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 43 →
1
Taorian’izany dia nentin-dralehilahy nianavaratra ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny tamin’ireo efitrano terỳ avaratra manoloana ny toera-malalaka sy ny trano teo ivohon’ny tempoly.
2
Izany orin-trano terỳ avaratra terỳ izany dia dimampolo metatra ny halàvany ary 25 metatra ny sakany:
3
ny lafiny anankiray dia nanatrika ny toera-malalaka izay misy velarana folo metatra teo amin’ny kianja anatiny; ny lafiny tao am-badika kosa dia nanatrika ny lampivato teo amin’ny kianja ivelany. Nisy lalantsara mirihana telo tao anatin’io orin-trano io.
4
Manoloana ireo efitrano ireo tatỳ amin’ny kianja anatiny, dia nisy lalana izay mirefy dimy metatra ny sakany ary dimampolo metatra ny halavany. Avy any avaratra no fidirana amin’io orin-trano io.
5
Ny efitrano ambony dia tery kokoa noho ireo ambaniny, satria nangalana bebe kokoa ho lalantsarany noho ny efitrano antenatenany sy ny efitrano ambany.
6
Nifanongoa ny efitrano mirihana telo, saingy tsy nisy andry tahaka ireo trano hafa teo an-kianja; fa arakaraka ny niakarana ambony kokoa no nahatery ny efitrano.
7
Teo amin’ny lafiny manatrika ny kianja ivelany, ny rindrina mirazòtra amin’ireo efitrano dia nisy 25 metatra ny halàvany,
8
satria 25 metatra rahateo ny halàvan’ireo efitrano ireo mitambatra. Fa tarỳ amin’ny lafiny manatrika ny tempoly dia nisy dimampolo metatra ny halàvany.
9
Teo ambanin’ireo efitrano ireo, tamin’ny lafiny atsinanana no nisy fidirana iray ho an’ny olona avy any amin’ny kianja ivelany.
10
Teo amin’ny fiandohan’ny tambohon’ny kianja no nisy io fidirana io. Tamin’ny ilany atsimo dia nisy efitrano tahaka ireo koa, manatrika ny toera-malalaka sy ny trano teo ivohon’ny tempoly.
11
Nisy lalana teo anoloany. Nitovy endrika tamin’ireo efitrano terỳ avaratra ihany ireto efitrano ireto na momba ny refiny sy ny firindrany na momba ny fahazoana miditra sy mivoaka ny efitrano.
12
Tahaka izany koa ireo varavaran’ny efitrano amin’ity orin-trano atsimo ity. Teo am-piandohan’ilay lalana no nisy varavarana manatrika ny rindrina izay miaro ny Toeramasina. Avy ao atsinanana no fidirana amin’io varavarana io.
13
Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireo efitrano avaratra sy efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ireo dia efitrano voatokana. Ao amin’ireo efitrano ireo manko ny mpisorona izay manatona ny TOMPO no mihinana ny zava-masina indrindra. Eny, voatokana io faritra io, ka ao no ametrahana ny zava-masina indrindra, dia ireo fanatitra vokatry ny tany sy ireo biby natao sorona ho fanalana ny ota sy ho fanonerana.
14
Ankoatra izany, ireo mpisorona izay niditra tao amin’ny Toera-masina dia tsy mahazo mandeha any amin’ny kianja ivelany avy hatrany; fa tsy maintsy ao amin’ireo efitrano ireo no amelany ny fanamiana masina izay nentiny nanompo ny Tompo, ary ao koa no iakanjoany ireo fitafiany hafa alohan’ny hankanesany any amin’ny toerana misy ny sarambabem-bahoaka.»
15
Rehefa vitan-dralehilahy ny fandrefesana ny trano anatiny ao amin’ny tempoly, dia nentiny nivoaka ny vavahady atsinanana aho. Dia nandrefy ny manodidina ny tempoly izy.
16
Ilay volotara fandrefesana no nandrefesany azy, ka ny lafiny atsinanana dia nisy 250 metatra ny halàvany.
17
Norefesiny toy izany koa ny lafiny avaratra sy atsimo ary andrefana ka samy 250 metatra avy ny halàvany.
20
Toy izany no nandrefesany ny tamboho manodidina ny tempoly tamin’ny lafiny efatra. Efamira ny tamboho manodidina ka samy dimampolo sy roanjato metatra avy ny lafiny efatra; ary io tamboho io no natao hampisaraka ny toerana voatokana ho an’Andriamanitra sy ny toerana hafa.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48