bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 36
Ezekiel 36
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 37 →
1
«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao ny amin’ireo tendrombohitr’i Israely. Asaovy henoiny ny teniko,
2
fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nihomehy anareo ny fahavalonareo nanao hoe: Akory izay! Lasa fanananay izao ireo havoana fahagolan’i Israely.›
3
Ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry Ezekiela, ary ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tsapako fa ny tany manodidina dia nifofotra handrava sy nitsiriritra ireo tendrombohitr’i Israely; ka efa lasa fananan’ny firenen-kafa izy ary efa nataony oha-pitenenana sy faneso!›
4
Noho izany, ry tendrombohitr’i Israely, henoy ny teniko fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, amin’ny renirano sy ny lohasaha, ary amin’ny toerana tonga korontam-bato sy ny tanànaaolo izay voaroba sy latsain’ny vahoaka manodidina.
5
Eny, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mianiana Aho fa mirehi-pahatezerana no miteny manohitra an’ireo firenen-kafa, indrindra fa i Edôma manontolo. Fo faly tokoa sy toe-panahy mamingavinga no nakany ny taniko ho fananany mba handrobany ny kijànany.›
6
Noho izany, ry Ezekiela, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny tanin’i Israely, ka ambarao amin’ny tendrombohitra sy ny havoana ary amin’ny renirano sy ny lohasaha fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Indro fa tezitra sy misafoaka Aho no miteny izao noho ny latsa natambesatry ny hafa firenena taminareo.
7
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara sy mananga-tanana mianiana fa ireny firenena manodidina anareo ireny indray kosa no hovesaran-datsa.
8
Amin’izay fotoana izay ny hazo eny an-tendrombohitr’i Israely dia handravina sy hamoa ho anareo, ry Israelita vahoakako; fa efa antomotra ny hiverenanareo any an-tanindrazanareo.
9
Eny, hitodika aminareo Aho ka hanambina anareo, ary hahatonga ny taninareo ho voaasa sy ho voavoly indray.
10
Hohamaroiko ny mponina manerana ny tanin’i Israely. Honenana indray ireo tanàna satria efa voaorina ny rava.
11
Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
12
Hampivoivoy anareo ao amin’ny tany Aho, ry Israelita vahoakako. Haka azy ho fanananareo ianareo; dia ho lasanareo izy ka tsy hahalany fara anareo intsony.›
13
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tany mandripaka olona hono ianao, ry Israely, ka mahalany fara ny firenenao.
14
Ankehitriny, tsy ho tany mandripaka olona izany intsony ianao ary tsy hahalany taranaka intsony ny firenenao; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
15
Tsy hataoko renareo intsony ary tsy hitambesatra aminareo intsony ny fanarabiana sy sahato ataon’ny firenen-kafa satria tsy hamono ny zanakareo ho faty intsony ny taninareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »
16
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
17
«Ry ilay taranak’olombelona, fony mbola teo amin’ny taniny ny Israelita dia nandoto izany tamin’ny fitondrantenany sy ny asany. Eny, teo imasoko ny fitondrantenany dia naloto tahaka ny fadimbolan’ny vehivavy.
18
Fa nolotoiny tamin’ny vonoan’olona sy ny sampiny ny taniny, hany ka natosako tamin’ny Israelita ny fahatezerako.
19
Naeliko ho any amin’ireo firenena izy ary naparitako ho any amin’ny tany samy hafa. Izany no namaizako azy araka ny fitondrantenany sy ny asany.
20
Kanefa tany amin’ireo firenen-kafa izay nalehany dia nozimbazimbainy ny anarako masina noho ny fahadisoany. Fa nolazain’ny olona hoe: ‹Vahoakan’ny TOMPO ireo, nefa voatery nandao ny taniny!›
21
Koa nangoraka Aho nahita ny anarako masina nozimbazimbaina tany amin’ny firenen-kafa noho ny fahadisoan’ny Israelita lasa tany.
22
Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin’ny firenena izay nalehanareo.
23
Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason’ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
24
«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.
25
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.
26
Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina.
27
Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko.
28
Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.
29
Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo.
30
Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan’ny hafa firenena amin’ny mosary intsony ianareo.
31
Dia hotsaroanareo ny fitondrantena ratsy sy ny asa tsy mendrika nataonareo, ka hankaloiloy anareo ny helokareo sy ny zavatra maharikoriko vitanareo.
32
Nefa aoka ho fantatrareo fa tsy noho ny aminareo no hanaovako an’izany, ry Israelita; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Koa aoka hahamenatra sy hampangaihay anareo ny fitondrantenanareo, ry Israelita!
33
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Rehefa voadioko ho afaka amin’ny helokareo rehetra ianareo, dia hamponeniko indray ao amin’ireo tanàna; ka haorina indray izay efa rava.
34
Hasaina indray ny tany lavavolo ka tsy hahita tany nilaozana intsony ny mpandalo.
35
Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray.
36
Amin’izay dia hoeken’ireo firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho TOMPO no manorina indray ny tanàna rava sy mamboly indray ny tany lavavolo. Izaho TOMPO no miteny sady hahatanteraka izany.›
37
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Havelako hiantso vonjy amiko indray ny Israelita mba hanasoavako azy; ka hohamaroiko tahaka ny andianondry ny olony.
38
Feno biby natokana hatao sorona i Jerosalema taloha rehefa tonga ny fety manetriketrika, fa biby amin’andiany no nentina tao; ary ho maro toy izany koa ny olona honina indray ao an-tanànanareo izay rava ankehitriny. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48