bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 23
Ezekiel 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 24 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, nisy vehivavy roa mirahavavy iray tampo.
3
Fony mbola tanora izy, dia efa lasa vehivavy janga tany Ejipta izay nonenany. Tany no nisafosafoana ny tratrany sy nitsapatsapana ny nonony somondrara.
4
I Ôhôlà no anaran’ny zokiny ary i Ôhôliba no anaran’ny zandriny. Ny voalohany dia manondro an’i Samaria fa ity faharoa kosa manondro an’i Jerosalema. Samy nalaiko ho vady izy roa, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy ho ahy.
5
Kinanjo nijangajanga i Ôhôlà na dia efa Ahy aza. Maimay izy tamin’ireo lehilahy sakaizany, dia ny Asirianina
6
izay niakanjo jaky avokoa noho ny maha governora sy mpitsara azy, sady tovolahy bikàna sy kinga fitaingin-tsoavaly.
7
I Ôhôlà dia nanome tombony manokana ireo manampahefana asirianina ireo, ka tamin’izay naha maimay azy dia nandoto tena tamin’ny fanompoana ny sampiny rehetra izy.
8
Notohizany ny fiainam-pijangajangana efa nataony tany Ejipta. Fa tany, fony mbola tanora izy, dia nisy lehilahy nandry taminy sy nitsapatsapa ny nonony somondrara ka nanaram-po nijangajanga taminy.
9
Noho izany dia navelako ho eo an-tanan’ny Asirianina sakaizany izay nahamaimay azy izy.
10
Koa naboridany tanteraka izy, ary novonoiny ho faty tamin’ny sabatra; fa ny zanany lahy sy vavy kosa nentiny. Niharan’ny famaizana izy mba hatao ohatra ho an’ny vehivavy hafa.»
11
«Nahita izany i Ôhôlibà rahavaviny, kanefa vao mainka ratsy kokoa noho i Ôhôlà izy tamin’ny fahamaimaizany, ary dia nijangajanga manoatra azy.
12
Fa nahamaimay azy koa ireo asirianina mpifanila aminy, dia ireo governora sy mpitsara mareva-pitafiana sady kinga fitaingin-tsoavaly; samy tovolahy bikàna izy rehetra.
13
Ary nandoto tena tamin’izany koa izy; eny, hitako fa nitovy fitondrantena izy mirahavavy.
14
Kanefa lasa lavitra kokoa i Ôhôlibà tamin’ny fanaranam-po. Indray andro izy dia nahita sarin-dehilahy voaloko mena teo amin’ny rindrina, dia sary nampiseho ny Babilônianina.
15
Samy nisy fehikibo teny an-tehezany ary fehiloha misoratsoratra teny an-dohany. Hoatry ny mpiady mahery no fijery azy; ary ny bikabikan’izy rehetra dia tahaka ireo Babilônianina miaina any Kaldea izay tany nahaterahany.
16
Maimay tamin’ny Babilônianina i Ôhôlibà raha vao nahita ny sary ka nandefa iraka tany amin’ny taniny.
17
Koa tonga mba handry aminy ireo Babilônianina ary nandoto azy tamin’ny fanaranam-pijangajanganay; saingy nony efa voalotony kosa i Ôhôlibà, dia naharikoriko azy.
18
Niseho ampahibemaso ho vehivavy janga izy ary nampiseho ny fitanjahany; ka narikoriko azy aho tahaka izay namparikoriko ahy tamin’ny rahavaviny.
19
Kanefa vao mainka nijangajanga kokoa aza izy ka nahatsiaro ny androm-pahatanorana izay nijangajangany tany Ejipta.
20
Fa maimay tamin’ireo lehilahiny izy, dia lehilahy mitrifana sy mitroatra toa boriky na soavaly miandra vavy.»
21
«Niverina nijangajanga indray ianao, ry Ôhôlibà, ka nanao toy ny tamin’ny fahatanoranao, fony ireo Ejiptianina nisafosafo ny tratranao sy nitsapatsapa ny nononao somondrara.
22
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Indro hotairiko hamely anao ireo lehilahinao. Ankehitriny efa namparikoriko anao izy, ka hoentiko avy any amin’ny manodidina mba hamely anao.
23
Hotaomiko hikomy aminao avokoa ny mponin’i Babilôna sy ny Kaldeanina rehetra, ny mponina ao Pekôda sy Sôha ary Kôha mbamin’ny Asirianina rehetra: Tovolahy bikàna izy rehetra, dia governora sy mpitsara, mpiady voafantina sy olo-manan-kaja, samy kinga fitaingin-tsoavaly.
24
Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin’ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; hoentiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.
25
Noho ny fahatezerako aminao dia havelako hanao herisetra aminao ireo: hotapahiny ny oronao sy ny sofinao ary hovonoiny ho faty amin’ny sabatra ianao. Halainy ho babo ny zanakao lahy sy ny vavy fa holevonin’ny afo kosa ireo olona sisa tavela aminao.
26
Horobainy ny fitafianao sy ny firavaka fihaingoanao.
27
Hatsahatro ny filibànao amam-pijangajangana izay natombokao tany Ejipta. Tsy hangata-maso olona intsony ianao ary tsy hahatsiaro ny Ejiptianina intsony.›
28
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Indro hatolotro eo an-tanan’ireo halanao ianao, dia ireo namparikoriko anao.
29
Hamely anao amim-pankahalana izy ka haka ny vokatry ny asanao. Havelany hitanjaka sy hiboridana ianao ary hiharihary eo imason’ny rehetra toy ny vehivavy janga. Ny filibànao sy ny fanaranam-batanao
30
no nahatonga anao toy izany. Nijangajanga tamin’ireo lehilahin’ny tany hafa ianao ary nandoto tena tamin’ny fanompoana ireo sampiny.
31
Nanaraka ny lalana nalehan’ny rahavavinao ianao; ka dia hampisotroiko amin’ny tsatokatim-pahatezerako tahaka azy.›
32
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Ny tsatokaty hisotroanao dia mitovy amin’ny an-drahavavinao, dia tsatokaty lehibe sady lalina. Hihomehezana sy hoesoina ianao noho ny tsatokatinao feno mihatihaty.
33
Hahatonga anao ho leom-pahoriana io tsatokatin’ny tahotra amam-pijaliana io, izay efa nisotroan’i Samaria rahavavinao.
34
Hosotroinao hatramin’ny farany izy ary hovakînao amin’ny nifinao; ka ny vakivakiny no handratranao ny nononao Izaho no manambara izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY.›
35
«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »
36
Ary hoy ny TOMPO tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, miomàna hitsara an’i Ôhôlà sy i Ôhôlibà. Vakio bantsilana ireo asany maharikoriko.
37
Fa vehivavy mpanitsakitsa-bady sy mpamono olona ireo. Nanitsakitsa-bady tamin’ny fanompoan-tsampy izy sy namono olona ho faty tamin’ny nanaovany sorona ny zanany lahy izay efa naterany ho Ahy.
38
Sady izao koa no nataony tamiko: Andro iray ihany no nandotoany ny toerako masina sady nanimbazimbany ny sabatako.
39
Fa ny andro nanaovany sorona ny zanany lahy tamin’ny sampiny iny ihany no nidirany tao amin’ny toerako masina, teo anivon’ny tranoko, ka nandotoany azy.
40
Ankoatra izany, nandefa iraka hanasa lehilahy avy any an-tany lavitra izy. Raha vao naharay hafatra ireny, dia nirohotra ho atỳ amin’i Ôhôlà sy i Ôhôlibà izay samy efa nandro sy nandoko maso ary nametaka firavaka rahateo.
41
Dia nipetraka tamina farafara mirenty izy roa vavy, ary namelatra latabatra nametrahany vovo-javamanitra mifangaro sy ilomanitra izay samy avy amiko.
42
Marobe ny olona tonga tao aminy, ka re tao ny kotaban’olona tsy manana ahiahy. Tonga tao koa ireo lehilahy avy amin’ireo toerana rehetra any an-taniefitra, ary nametaka haba teny amin’ny hato-tanan’izy mirahavavy sy nametraka satroboninahitra mahafinaritra teny an-dohany.
43
Dia hoy Aho anakampo: ‹Na dia izay efa tontan’ny fanitsakitsaham-bady hatry ny ela aza, dia mbola mirotsaka hijangajanga ihany ankehitriny!›
44
Misy lehilahy mankao aminy toy ny ankanesana amin’ny vehivavy mpivarotena. Toy izany no ankanesany tao amin’i Ôhôlà sy i Ôhôlibà izay vehivavy janga!
45
Fa hisy kosa lehilahy marina hanameloka ireo vehivavy roa ireo ho mpanitsakitsa-bady sy mpamono olona, satria mpanitsakitsa-bady tokoa izy sady misy ra eny an-tanany.
46
«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Anaingao famoriam-bahoaka hanafay azy roa, ary aoka hatolotra hampihorohoroina sy horobaina izy.
47
Torahy vato izy ary tetiteteho amin’ny sabatra, vonoy ho faty ny zanany lahy sy vavy ary doroy ny tranony.
48
Hatsahatro ny filibàna mihanaka eo amin’ity tany ity. Hahazo fampitandremana ny vehivavy rehetra ka tsy hanahaka ny filibàn’izy roa vavy intsony.
49
Fa hovaliana aminy kosa ny filibàny ary hozakainy ny vokatry ny fanompoan-tsampiny. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY›. »
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48