bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 25
Ezekiel 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 26 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha amin’ny Hamônita ary mijoroa ho mpaminany ny amin’ny hamelezana azy.
3
Asaovy mihaino izy fa izao no teny lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: ‹Nihomehy ianareo fony nozimbazimbaina ny toerako masina ary nosimbana ny tanin’i Israely sady nentina ho babo ny olon’i Joda.
4
Noho izany, havelako halain’ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana ny taninareo: Hanorina toby eo amin’ny taninareo izy ka hamelatra ny lainy eo. Ireny no hihinana ny voankazo sy hisotro ny ronono izay anareo.
5
Hatao tonga fiandrasana rameva i Rabà renivohitrareo, ary hanjary valan’ondry ny tany hamônita manontolo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.›
6
«Eny, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nitehaka sy nitsinjaka ary nifaly tokoa ianareo tamin’ny loza nanjo an’i Israely. Izany no nanaovanareo tsinontsinona ny vahoakako.
7
Koa haneho ny heriko hamelezana anareo Aho, ary hanolotra anareo amin’ny firenen-kafa izay handroba anareo tanteraka. Hofoanako tsy ho firenena intsony ianareo, tsy hanan-tany intsony fa haringako tanteraka. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »
8
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nilaza ny Môabita fa efa tonga tahaka ny firenena hafa rehetra izao i Joda.
9
Koa hasaiko tafihina ireo tanàn-dehibe miaro ny fidirana any Môaba, hifanesy ho rava ireo tanàna tsara indrindra toa an’i Bety-Jesimôta sy i Bahala-Mehôna ary i Kiriataima.
10
Ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana dia havelako haka an’i Môaba ankoatra izay nakany ny tanin’ireo Hamônita, ka tsy hahatsiarovana intsony ireo Hamônita any amin’ny firenen-kafa.
11
Hotanterahiko ny famaizana ny Môabita; amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
12
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nanao valifaty mahatsiravina tamin’ny vahoakan’i Joda ny Edômita, ary izany no mahameloka azy.
13
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.
14
Hankiniko amin’i Israely vahoakako ny famaizako an’ireo Edômita. Koa araka izay takin’ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
15
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.
16
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin’iny moron-dranomasina iny.
17
Famaizana mangotraka no famaliana mahatsiravina hamelezako azy; ka rehefa hampihariko aminy tokoa izany, dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48