bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 13
Ezekiel 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 14 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra ireo mihambo ho mpaminany eto Israely ka maminany araka ny nahim-pony. Asaovy mihaino ny teniko izy.
3
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ny mpaminany adala, izay manaraka fotsiny ny eritreriny fa tsy manana fahitana akory.
4
Ry vahoaka israelita ô, toy ny amboadia mirenireny ao an-tanàna aolo ny mpaminaninareo.
5
Tsy nandeha nanamboatra ny banga tamin’ny manda ireo sady tsy nanangana manda hiarovana anareo amin’ny ady rehefa mby ny andron’ny TOMPO.
6
Fa nilaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka izy, ka nanao hoe: ‹Izao no teny hentitra avy amin’ny TOMPO›; nefa Izaho TOMPO tsy naniraka azy akory! Saingy manantena ny hanamafisako ny teniny izy.
7
Moa tsy fahitana manodoka ve ny anareo, hoy Aho? Moa tsy fanambaràna mamitaka ve no ataonareo? Mihambo hilaza teny hentitra avy amin’ny TOMPO ianareo, kanefa Izaho tsy niteny taminareo akory!›
8
Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nilaza teny manodoka sy fahitana mamitaka ianareo, dia ho avy hamely anareo Aho. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›
9
«Ny heriko no hamely ny mpaminany izay milaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka. Tsy hanana anjara toerana ao amin’ny filankevitry ny vahoakako izy sady tsy ho voasoratra ao amin’ny lisitry ny vahoaka israelita ka tsy hiverina any amin’ny taniny. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.
10
«Mamitaka ny vahoakako ny mpaminany amin’ny filazana fa fiadanana no manjaka nefa tsy misy fiadanana akory. Manangana rindrina ny vahoakako fa ireo kosa mandalotra azy amin’ny fotaka.
11
Koa lazao amin’ireo mpandalotra ireo hoe: ‹Hirodana ny rindrina! Fa ho avy ny ora-mikija, hiraraka ny havandra vaventy, ary hifofofofo ny rivo-mahery.
12
Rehefa mirodana ny rindrina, dia hanontaniana anareo ny nilana ny fotaka nandaloranareo azy.›
13
Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hampifofofofo rivo-mahery Aho noho ny hatezerako; handefa ora-mikija Aho noho ny fahavinirako ary handraraka ny havandra vaventy mpandrava Aho noho ny fisafoakako.
14
Horavako ny rindrina izay nolalorinareo fotaka ka hazerako amin’ny tany, dia hiseho mbamin’ny fototra. Hirodana izy ka ho tototra ao ambaniny ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
15
Hanamparako ny hatezerako ny rindrina sy izay nandalotra fotaka azy, dia holazaina aminareo hoe: ‹Tsy misy intsony ny rindrina. Tsy misy intsony ny mpandalotra azy,
16
dia ireo mpaminany israelita izay maminany ny hoavin’i Jerosalema sy manam-pahitana manambara fiadanana ho azy nefa tsy misy fiadanana akory. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »
17
«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, handrino ireo vehivavy israelita izay maminany araka ny nahim-pony ka ambarao ny hamelezana azy;
18
ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ianareo izay manjaitra fehitanana ho an’ny hato-tanana rehetra, ary manjaitra fehivozona ho an’ny olona isan-karazany mba hangejanareo ny ainy. Tianareo hogejaina ny ain’ny olona anisan’ny vahoakako mba hiarovana ny ainareo.
19
Manala baràka Ahy eo anatrehan’ny vahoakako ianareo noho izay vary eran’ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona.›
20
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosimbako ny fehitanana izay angejanareo ny ain’ny hafa. Horovitiko ireny ka hoesoriko eny an-tanany, ary halefako malalaka ny aina izay nogejainareo.
21
Horovitiko ny fehivozony, dia hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako ary tsy hogejainareo intsony; amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
22
Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.
23
Noho izany dia tsy hisy intsony ny fahitanareo manodoka sy ny fanambarànareo mamitaka. Hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48