bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 28
Ezekiel 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 29 →
1
Nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ny mpanjakan’i Tiro fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Fo miavonavona no nilazanao ny tenanao ho andriamanitra sady mipetraka amina sezafiandrianana mendrika an’ireo andriamanitra, dia sezafiandrianana eo anivon-dranomasina. Nihevi-tena ho mitovy amin’ireo andriamanitra ianao nefa olombelona ihany fa tsy andriamanitra akory.
3
Nihambo ho hendry noho i Daniela ianao ka afaka mamantatra na dia ny zavatra miafina indrindra aza.
4
Nahazo harena ianao noho ny fahendrenao sy ny fahiratan-tsainao, ka nanangona raki-tsarobidy toy ny volamena sy ny volafotsy.
5
Nanangona tombom-barotra ianao noho ny fahaizanao ara-barotra; ary izany harena izany no niavonavonan’ny fonao.›
6
«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nihevi-tena ho mitovy amin’ireo andriamanitra ianao.
7
Koa indro hitondrako vahiny hamely anao, dia izay lozabe indrindra amin’ny hafa firenena; ka hopotipotehiny amin’ny sabatra izay zava-tsoan’ny fahendrenao ary hozimbazimbainy ny fiandriananao.
8
Havariny any an-davaka ianao, ka ho faty vokatry ny famonoana an-keriny anao eo anivon’ny ranomasina.
9
Mbola sahy hihambo ho andriamanitra ve ianao eo anatrehan’izay hamono hahafaty anao? Olombelona ihany ianao fa tsy andriamanitra, rehefa mby eo an-tanan’izay hamono hahafaty anao!
10
Fahafatesana mahafa-baràka toy ny an’ny olona tsy voafora no hahafaty anao eo an-tanan’ny vahiny. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manambara; teny hentitra avy amiko izany›. »
11
Dia nisy indray tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
12
«Ry ilay taranak’olombelona, manaova hira fisaonana ny amin’ny mpanjakan’i Tiro. Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Modely tonga lafatra ianao satria feno fahendrena sady tsara tarehy aoka izany.
13
Tao Hedèna, zaridainan’Andriamanitra, no niainanao, dia ilay Hedèna voahodidina tamboho rakotry ny vatosoa isan-karazany: robisy, tôpaza, diamondra, krizôlita, berila, jaspa, safira, robina, emeralda. Firavaka sy haingo volamena voaomana hatramin’ny andro nahariana anao no nentinao.
14
Napetrako teo anilanao ny kerobima iray mpiaro goavana be; dia niaina teo amin’ilay tendrombohitra voatokana ho an’Andriamanitra ianao ary nandehandeha teo anivon’ny vato manjelanjelatra.
15
Tsy nisy hokianina ny fitondrantenanao hatramin’ny andro nahariana anao ka mandra-pisehon’ny ratsy teo aminao.
16
Ny fandrosoan’ny varotrao no nampihanaka ny herisetra teo anivonao sy nampanota anao. Koa dia aetriko ho sarambabembahoaka ianao ary roahiko tsy ho eo amin’ilay tendrombohitr’Andriamanitra. Ny kerobima mpiaro no mandroaka anao lavitr’ireo vato manjelanjelatra.
17
Ny hatsaran-tarehinao no nampiavonavona ny fonao, ary ny fahombiazanao mamirapiratra no nahasimba ny fahendrenao. Dia azerako amin’ny tany ianao ary atolotro hampitalanjona ireo mpanjaka.
18
Maro tokoa ny helokao satria tsifahamarinana no nitondranao ny varotrao ka voazimbazimbanao ireo toeram-pivavahanao. Izany no andrehetako afo ao an-tanànanao handevona anao. Izay rehetra hijery anao dia hahita fa hataoko tonga lavenona ianao eto an-tany.
19
Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga ny aminao, satria ho tonga fampitahorana ianao, sady tsy hisy intsony mandrakizay›. »
20
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
21
«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha manandrify ny tanàna Tsidôna, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako azy.
22
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely anao Aho, ry Tsidôna, ary homem-boninahitra eo afovoanao. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO, rehefa hampihariko aminao ny didim-pitsarako ary hasehoko eo aminao ny maha Andriamanitra masina Ahy.
23
Halefako hamely anao ny areti-mandringana, ary handriaka eny an-dalambenao ny ra. Hananganana ady hatraiza hatraiza ianao, ka hiampatrampatra ao aminao ny fatin’ny mponina. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO›. »
24
«Ireo firenena manodidina an’i Israely dia tsy hisy hanao tsinontsinona azy intsony. Tsy hamelively azy intsony ireo ka mova tsy roy manindrona na tsilo mandrangotra. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
25
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hangoniko avy any amin’ny firenen-kafa izay nanelezako azy ny Israelita, ka hasehoko eo imason’ireo hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina. Honina ao amin’ny taniny izy, dia ny tany izay efa nomeko an’i Jakôba mpanompoko.
26
Ao izy no honina am-pilaminana ka hanorina trano sy hamboly voaloboka; eny, honina am-pilaminana izy satria hampiharako famaizana ireo rehetra manodidina azy ka nanao tsinontsinona azy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.»
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48