bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 39
Ezekiel 39
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 40 →
1
«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana an’i Gôga, ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry Gôga, filoha faratampon’ny vahoakan’i Mesèka sy i Tobala.
2
Nentiko nirenireny ianao mba hamongorako anao. Nampialako avy any am-parany avaratra ianao hampanafihako ny tendrombohitr’i Israely.
3
Avy eo kosa hasiako ianao, ka ho tapaka eny an-tananao ankavia ny tsipîkanao ary hianjera avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipîkanao.
4
Ho faty miampatrampatra eny an-tendrombohitr’i Israely ianao sy ny tafikao manontolo ary ireo firenena maro mpomba anao. Homeko hohanin’ireo vorona mpihaza isan-karazany sy ny bibidia ny fatinareo.
5
Eny an-kodahoda no hahafatesanao, satria Izaho no efa nilaza; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
6
Handrehetako afo ao amin’ny tanin’i Magôga sy ao amin’ireo mponin’ny nosy izay mihevitra ho milamina. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
7
Hataoko izay hahalalan’i Israely vahoakako fa tena masina Aho ka tsy havelako hanazimbazimba Ahy intsony izy; amin’izay dia hoeken’ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Ilay Masina ao amin’i Israely.
8
Indro ho avy izany toe-javatra izany ary efa manomboka tanteraka. Izany no andro fitsarana nambarako; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
9
Hivoaka ny tanànany ny Israelita, dia handrehitra afo miledaleda handorana ireo fiadian’ny fahavalony. Koa ny ampinga sy ny tsipîka ary ny zana-tsipîka mbamin’ny lefona sy ny langilangy dia hisy hanaovany afo mandritra ny fito taona.
10
Tsy handeha hanangon-kitay any an-tsaha akory ny olona na hikapa hazo any an’ala, fa ireo fiadiana ireo no hataony kitay eo. Hamabo sy handroba ireo efa namabo sy nandroba azy izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
11
«Ary amin’ny andro hahatongavan’izany, dia homeko toerana iray handevenana azy any Israely i Gôga, dia ny lohasahan’ny mpandalo ao atsinanan’ny Ranomasina Maty; ka hisakan-dalana ny mpandalo izany fandevenana azy eo izany. Any no handevenana an’i Gôga sy ny tafiny marobe manontolo. Ary hantsoina hoe «Lohasahan’ny tafika maroben’i Gôga» io toerana io.
12
Haharitra fito volana no handevenan’ny Israelita azy rehetra sy hanadiovany ny taniny.
13
Ny mponina rehetra amin’izany faritra izany dia hifarimbona handevina azy ao avokoa; ary ho rehareha ho azy izany amin’ny andro hanehoako ny voninahitro; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
14
Rehefa afaka fito volana, dia hisy olona hotendrena hitety tsy an-kitsahatra ny tany mba hanadio azy amin’ny fikarohana sy fandevenana ireo faty sisa tavela eny.
15
Hitety ny tany izy ka raha misy mahita taolan’olona, dia hametraka antontam-bato ho marika eo anilany mba hiavian’ny mpandevina haka azy sy handevina azy ao amin’ny Lohasahan’ny tafika maroben’i Gôga.
16
Hisy koa aza tanàna iray hantsoina hoe Hamônà na hoe tafika marobe. Dia toy izany no hanadiovan’ireo ny tany.»
17
Ary izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, antsoy ny voro-manidina rehetra sy ny bibidia rehetra, ka iteneno hoe: Mivoria eto avokoa avy any rehetra any ianareo, mba hahazo anjara amin’ny sorona izay omaniko ho anareo. Eny an-tendrombohitr’i Israely no hisy izany sorona lehibe izany, ka hihinananareo nofo sy hisotroanareo ra.
18
Hohaninareo ny nofon’ireo miaramila maherifo ary hosotroinareo ny ran’ireo mpitondra an’izao tontolo izao, natolotra ho sorona ho solon’ny ondrilahy sy ny zanak’ondry ary ny osilahy mbamin’ny zanak’omby, izay samy biby natavezina tany Basàna avokoa.
19
Io sorona io no anasako anareo, koa hihinana ny matavy eo ianareo ambara-pahavoky anareo, ary hisotro ny ra ianareo ambara-pahaleo anareo.
20
Ao amin’io fanasàko io no hivokisanareo amin’ny soavaly sy ny mpitaingina azy ary ny miaramila maherifo mbamin’ny mpiady isan-karazany; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
21
«Hasehoko amin’ny hafa firenena ny voninahitro. Ho hitan’izy rehetra didim-pitsarana izay hampihariko aminy sy ny fahefana izay hampiasaiko aminy.
22
Ary manomboka amin’izay andro izay dia hoeken’ny Israelita fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.»
23
«Ho takatr’ireo firenen-kafa fa matoa nentina ho babo ireo Israelita dia noho ny heloka nivadihany tamiko, hoy ny Tompo. Fa niafenako tava ireo, ka natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony mba ho faty an’ady izy rehetra.
24
Niafenako tava ireo ho setrin’ny asany maloto amam-pikomiany.
25
«Kanefa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ankehitriny dia hamindrako fo ny Israelita rehetra izay taranak’i Jakôba ka hampodiko avy amin’ny fahababoany; ary hotakîko ny hanajan’ny olona rehetra ny anarako masina.
26
Amin’izay dia hohadinoiny ny fahafaham-baràka nanjo azy noho ny hadisoana rehetra nataony tamiko. Hiaina indray am-pilaminana eo amin’ny taniny izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27
Hampodiko avy any amin’ireo hafa firenena izy ary hangoniko avy any amin’ny tanin’ireo fahavalony. Ny ataoko amin’ny Israelita no hanehoako eo imason’ny firenena maro manodidina fa Andriamanitra masina Aho.
28
Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, rehefa hangoniko ho eo amin’ny taniny izy, ka tsy hisy havelako any amin’ireo firenena izay nanaovako sesitany azy na iray aza.
29
Ny Fanahiko no hatosako amin’ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48