bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 47
Ezekiel 47
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 48 →
1
Ary nitondra ahy niverina ho eo am-pidirana amin’ny tempoly ralehilahy. Koa hitako fa nisy rano niboiboika avy tao ambanin’ny tokonana atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny tempoly. Io rano io dia nidina teo ambanin’ny lafiny ankavanan’ny tempoly ka nandalo teo atsimon’ny alitara.
2
Dia nitondra ahy nivoaka ny tempoly tamin’ny vavahady avaratra izy ka nampandeha ahy nanodidina tany ivelany hipaka amin’ny vavahady atsinanana. Ary indro avy teo ankavanan’ity vavahady ity no nikoriana ny rano.
3
Nandroso niantsinanana ralehilahy, nitana tady izay nandrefesany dimanjato metatra niantsinanana. Avy eo dia nampita ahy ny rano izy ka hatreny an-kitrokeliko izany.
4
Dia nandrefy dimanjato metatra indray izy, ary nampita ahy ny rano ka hatreny an-dohaliko izany. Nony afaka dimanjato metatra manaraka dia nampita ahy ny rano indray izy, ka hatreny andilako ny rano.
5
Nandrefy dimanjato metatra indray izy, ka ony tsy azoko niampitana intsony ny rano fa efa nihalalina. Eny, ony tsy azo iampitana intsony izy raha tsy amin’ny lomano.
6
Ary hoy ralehilahy tamiko: «Hitanao tsara ve izany, ry ilay taranak’olombelona?» Dia nentiny nihataka kely aho, vao naveriny indray hankeo amoron’ny ony.
7
Rehefa tafaverina teo aho, dia hitako fa nisy hazo marobe teny amoron’ny ony an-daniny roa.
8
Ary hoy ralehilahy tamiko: «Mizotra hankany amin’ny faritra atsinanana ity ony ity ka midina ny lohasahan’i Jôrdàna ary mivarina eo amin’ny Ranomasina Maty. Rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia manavao ny ranony hanjary hahasalama.
9
Hifanaretsaka ny zava-miaina isan-karazany ary hitombo marobe ny trondro, na aiza na aiza hivarinan’ilay ony. Fa hanadio ny ranomasina izany; ka any amin’izay hivarinany dia hitondrany aina.
10
Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.
11
Nefa kosa ireo heniheny sy honahona eo amoron-tsiraka dia tsy hodiovina fa havela ho fakana sira.
12
Ary eny amoron’ny ony an-daniny roa dia hanirian’ny hazo fihinam-boa isan-karazany. Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak’ilay rano mivoaka avy ao amin’ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody.»
13
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaràn’ny foko israelita roa ambin’ny folo, ka hahazoan’ny fokon’i Jôsefa anjaran-droa.
14
Samy hanana anjara faritany mitovy ny foko tsirairay. Efa nianiana manko Aho fa homeko ny razanareo ity tany ity, ka ho azonareo ho fanananareo.
15
Toy izao no faritry ny tany: Ny sisin-tany avaratra dia hiainga eo amin’ny Ranomasina Mediteranea, ka hanaraka ny lalana mankany Hetlôna sy Lebô-Hamata ary Tsedada;
16
avy eo dia mandalo ny tanàna Berôtà sy Sibraîma anelanelan’ny fanjakan’i Damasy sy fanjakan’i Hamata ary mandalo ny tanàna Hatsara-Henôna ao akaikin’ny sisin-tanin’i Haoràna.
17
Izany sisin-tany izany dia miainga eo amin’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany Hatsara-Henôna any atsinanana. Any avaratra izy dia voafefin’ny fanjakan’i Damasy sy i Hamata. Izay no sisin-tany avaratra.
18
Ny sisin-tany atsinanana kosa dia hiainga eo Hatsara-Henôna anelanelan’i Damasy sy i Haoràna, ka hanaraka ny lohasahan’i Jôrdàna eo anelanelan’ny faritanin’i Gilehada sy ny tanin’i Israely, ary hipaka any Tamara eo amoron’ny Ranomasina Maty. Izay no sisin-tany atsinanana.
19
Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta ka hipaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.
20
Ny sisin-tany andrefana kosa dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra azy hatreo atsimo ka hatrany Lebô-Hamata any avaratra. Izay no sisin-tany andrefana.
21
«Hifampizarànareo foko israelita io tany io.
22
Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.
23
Samy homenareo ny anjarany avy eo amin’ny foko izay hipetrahany ny vahiny. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 48 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48