bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 37
Ezekiel 37
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 38 →
1
Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana.
2
Ary nentiny nandehandeha nanodidina an’ireo aho tao amin’izany lohasaha izany; ka indreo maro dia maro ny taolana sady maina tanteraka.
3
Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Ry ilay taranak’olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo? Ka novaliako hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao irery ihany no mahalala.
4
Ary hoy indray Izy tamiko: –Ijoroy ny maha- mpaminany anao manoloana ireo taola-maina ireo ka mitenena aminy hoe: «Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo!
5
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: Hasiako fofonaina indray ianareo, dia ho velona.
6
Hasiako hozatra ianareo ary hampaniriko nofo sy hosaronako hoditra; dia hasiako fofonaina ianareo ka ho velona. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.»
7
Dia nilaza ny hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Fa raha mbola nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka: nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
8
Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
9
Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin’ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin’ireo faty ireo mba ho velona indray izy.›
10
Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Koa nidiran’ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin’ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.
11
Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin’ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.›
12
Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo.
13
Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo;
14
ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »
15
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
16
«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: ‹I Joda sy ny Israelita amin’io fanjakana io.› Avy eo, makà tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: ‹I Jôsefa (na Efraîma) sy ny Israelita amin’io fanjakana io.›
17
Ampifanatony hifanohy ireo tapa-kazo anankiroa ireo mba hanjary tapa-kazo iray ihany eo an-tananao.
18
Hangataka ny hanazavanao izany ireo mpiray firenena aminao;
19
ka hambaranao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Halaiko ny tapa-kazo iray izay mampiseho an’i Jôsefa sy ny Israelita ao aminy mba hatohiko amin’ilay mampiseho ny fanjakan’i Joda, dia hatambatro ho tapa-kazo iray izy roa ka hanjary iray ihany eo an-tanako.
20
«Ary ianao, ry Ezekiela, dia hitazona tsara eny an-tananao ireo tapa-kazo izay nasianao soratra mba ho hitan’ny besinimaro.
21
Ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ry Israelita, halaiko eo anivon’ny firenena izay nalehanareo ianareo, hangoniko avy any rehetra any ka haveriko ao an-tanindrazanareo.
22
Ao no hamoriako anareo ho firenena iray eny an-tendrombohitr’i Israely. Ary mpanjaka iray ihany no hanjaka aminareo rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony ianareo sady tsy hivaky ho fanjakana roa intsony.
23
Tsy handoto tena amin’ny fanompoan-tsampy intsony ianareo na amin’ny fanaovana zava-mahatsiravina na amin’ny fahadisoana hafa rehetra. Fa hafahako amin’ny fikomiana rehetra izay nanotanareo tamiko ianareo. Hodioviko ianareo, ka dia ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitrareo.
24
I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalànako sy hanatanteraka ireny.
25
Ary honenanareo ny tany izay nomeko an’i Jakôba mpanompoko sady efa nonenan’ireo razanareo. Ao no honenanareo hatrany, dia ny tenanareo sy ny zanakareo mbamin’ny taranakareo; ary i Davida mpanompoko no ho printsy filohanareo mandrakizay.
26
Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.
27
Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako.
28
Amin’izay dia hoeken’ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an’i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.»
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48