bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 34
Ezekiel 34
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 35 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha- mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo?
3
Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian’ondry ianareo, fa naka ny ronono ho sakafonareo sy ny volon’ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy.
4
Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin’ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin’ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo.
5
Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin’ny bibidia.
6
Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny havoana; ary niparitaka teny amin’ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy.
7
Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko:
8
Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian’ondriko ka lasan’ny mpangalatra sy zary rembin’ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy.
9
Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely.
10
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin’ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.
11
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko.
12
Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon’ny mpiandry amin’ny andro iparitahan’ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin’ny toerana rehetra izay niparitahany tamin’ny andro mandrahona sy maizim-pito.
13
Havoakako avy any amin’ny firenena izy ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa, dia haveriko ao amin’ny taniny; handrasako eny an-tendrombohitr’i Israely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary koa eny amin’ny toerana rehetra azo honenana eo amin’ny taniny.
14
Hoentiko eny amin’ny tanim-bilona tsara izy, ka hanana kijàna eny an-tendrombohitra avo amin’i Israely. Any no hialany sasatra amin’ny kijàna tsara sy hiraofany amin’ny tanim-bilona milenodenoka.
15
Izaho no ho mpiandry ny andianondriko ka hampandry azy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
16
Hotadiaviko ny ondry very, haveriko izay nisaraka tamin’ny andiany, hotsaboiko izay naratra, hohatanjahiko izay marary, ary hokolokoloiko hatrany izay matavy sy matanjaka. Izaho no hiandry ny ondriko araka ny rariny.»
17
«Ary ny amin’ny andianondriny, dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Indro hotsaraiko ny adin’ny ondry samy ondry sy ny ady ifanaovan’ny ondrilahy amin’ny osilahy.
18
Tsy ampy ny sasany eo aminareo angaha ny miraoka eny amin’ny tanim-bilona tsara no dia hosihosenareo koa ny ahitra sisa? Tsy ampy anareo angaha ny misotro ny rano madio no dia lotoinareo amin’ny tongotrareo koa ny rano sisa?
19
Voatery hihinana ny ahitra voahosihosinareo sy hisotro ny rano voalotonareo ireo sisa amin’ny andianondriko.›
20
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny andianondriny: ‹Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia.
21
Natositosikareo matanjaka tamin’ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin’ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan’ny tanim-bilona.
22
Koa tonga Aho hamonjy azy mba tsy ho lasan’ny mpangalatra intsony, ary hotsaraiko ny adin’ny ondry samy ondry.
23
Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa.
24
Izaho TOMPO no ho Andriamaniny ary i Davida mpanompoko no ho filoha eo anivony. Izaho TOMPO no miteny izany.›
25
«Hanao fanekempihavanana amin’ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin’ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an’ala aza.
26
Avelako honina eny amin’ny manodidina ny tendrombohitra voatokana ho Ahy izy. Harotsako ara-potoana ny ranonorana ka hitondra fitahiambe izany.
27
Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin’ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan’ny mpanandevo azy izy. Amin’izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.
28
Tsy ho babon’ny hafa firenena na ho rembin’ny bibidia intsony izy, fa honina am-pilaminana, ka tsy hisy hampatahotra azy.
29
Hampaniry ny voly hiadanany Aho, ka tsy hisy olona ho ripaky ny mosary intsony eo amin’ny tany; ary tsy hovesaran’ny latsan’ireo hafa firenena intsony izy.
30
Amin’izay dia hoeken’ny hafa firenena fa Izaho TOMPO Andriamaniny no miaraka aminy ary izy Israelita no vahoakako; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
31
«Ianareo no olona, andian’ondry fiandriko, ary Izaho no Andriamanitrareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48