bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 8
Ezekiel 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 9 →
1
Tamin’ny taona fahenina taorian’ny fahababoana, nony andro fahadimin’ny volana fahenina, dia nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka manoloana ahy ireo loholon ’i Joda. Teo no voatsindrin’ny herin’ny Tompo ANDRIANANAHARY aho.
2
Hitako nisy toa miendrika olona no fijery azy. Tahaka ny afo ny tenany hatreo amin’ny tehezany no ho midina, ary mamirapiratra sy manjelanjelatra tahaka ny metaly mangirana kosa ny tapany ambony.
3
Nisy toa tanana natsotrany tamiko ka noraisiny tamin’ny volon-dohako aho. Tanatin’izany fahitana avy amin’Andriamanitra izany, dia tsaroako ho ningain’ny Fanahin’Andriamanitra ho eny ana habakabaka aho ka nentiny hankany Jerosalema. Mby teo amin’ny vavahadin-tanàna izay mitodika mianavaratra aho, dia teo amin’ny toerana nisy ilay sarivongan-tsampy tsy zakan’Andriamanitra.
4
Ary indro niseho tamiko teo ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely, tahaka ny nahitako azy tao an-dohasaha.
5
Ary hoy Andriamanitra tamiko: «Atopazo mianavaratra ny masonao, ry ilay taranak’olombelona.» Dia nataoko izany. Indro teo avaratry ny vavahady nisy alitara iray; ary ilay sarivongan-tsampy tsy zakan’Andriamanitra dia hitako teo akaikin’ny fidirana.
6
Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»
7
Ary nitondra ahy ho eo am-bavahadin’ny kianja ivelan’ny tempoly izy, ka hitako fa nisy hirika teo amin’ny rindrina.
8
Dia hoy Andriamanitra tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, gorobahy ny rindrina.» Dia nogorobahiko ny rindrina ka nasiako banga.
9
Ary hoy indray Izy tamiko: «Midira ianao ary jereo ny fomba ratsy maharikoriko ataon’ireo olona ireo eto.»
10
Dia niditra aho ary izao no hitako: rakotry ny sary mampiseho ireo biby mandady sy biby hafa mahatsiravina rehetra ny rindrina manodidina ahy, ary hita teo avokoa ny sampin’i Israely.
11
Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.
12
Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon’ny loholon’i Israely ao amin’ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an’ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: ‹Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy›. »
13
Ary hoy koa Andriamanitra hoe: «Mbola hahita fomba ratsy hafa maharikoriko fanaony koa ianao.»
14
Dia nentin’ny TOMPO aho hankeo anoloan’ny vavahadin’ny tranony, izay mitodika mianavaratra. Nisy vehivavy maro nipetraka teo, ary nitomany ny fahafatesan’i Tamoza.
15
Koa nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Hitanao tsara ve izao, ry ilay taranak’olombelona? Mbola hahita fomba maharikoriko goavana kokoa noho izao aza ianao.»
16
Dia nentin’ny TOMPO aho hankao an-kianja anatiny amin’ny tranony. Manoloana ny varavaran’ny Toeramasina, dia nisy tokony ho 25 lahy teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana. Niamboho ny Toeramasina ireo ary nitodika miantsinanana ka niankohoka mba hivavaka amin’ny masoandro.
17
Dia nanontany ahy indray Andriamanitra hoe: «Hitanao tsara ve izao, ry ilay taranak’olombelona? Nefa tsy afa-po amin’izao fomba maharikoriko ataony izao izy fa mbola fenoiny herisetra koa ny tany, ka manao izay mampahasosotra Ahy lalandava izy. Jereo izy izao fa mampakatra rantsan-kazo eo amin’ny orony.
18
Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48