bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 7
Ezekiel 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 8 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Mihainoa ianao, ry ilay taranak’olombelona. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia milaza izao amin’ny tanin’i Israely: «Injao no farany; mby akaiky ny farany ho an’ny vazan-tany efatra eo aminao tokoa ry tanin’i Israely.
3
Ankehitriny no farany ho anao: hampihariko hamely anao ny fahatezerako. Hotsaraiko araka ny fitondrantenany ny mponinao ka hovaliako aminy avokoa ny asa maharikoriko rehetra nataony.
4
Tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy, fa hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany sy ny asa maharikoriko izay mbola tohiziny eo anivonao. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
5
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro fa avy ny loza, dia loza tsy misy toa azy!
6
Injao no farany; mby akaiky ny farany, ry tanin’i Israely. Mifoha hiantonta aminao izy, indro fa avy tokoa.
7
Ry mponina amin’ny tanin’i Israely, mby akaiky ny faharavana hanjo anareo, tonga ny fotoana, antomotra ny andro fitsarana. Sahotaka no hisolo ny horakora-pifaliana eny an-tendrombohitra.
8
Izao ankehitriny izao no hanosahako ny fahatezerako aminareo ka hanamparako ny fahavinirako. Hotsaraiko araka ny fitondrantenanareo ianareo ary hovaliako aminareo ny asa maharikoriko rehetra nataonareo.
9
Tsy ho antra fijery anareo Aho ary tsy hamindrafo aminareo, fa hovaliako aminareo ny fitondrantenanareo sy ny asa maharikoriko izay mbola tohizinareo eo anivonareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mikapoka anareo.
10
«Indro ny andro fitsarana, ary mby akaiky sady miseho lany ny faharavana. Mitombo ny hetraketraka ary mahazo vahana ny avonavona.
11
Ny herisetra dia toy ny tsorakazo arangaranga hanafaizana ny haratsiana; koa tsy hisy tavela intsony eo aminareo na ny hamaroanareo na ny harenareo na ny zava-kantonareo.
12
Tonga ny fotoana ary akaiky ny andro fitsarana: aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra satria ny vahoaka rehetra no iharan’ny fahatezerako.
13
Ny mpivarotra tsy hiverenan’ny entany intsony na dia mbola velona aina aza. Ny fahitana manambara ny loza hanjo ny vahoaka rehetra manko dia ho tanteraka. Samy miaina anaty heloka ny olona tsirairay ka tsy hisy hotafarina.
14
Hotsofina ny anjomara ary hatao ny fiomanan-kiady, fa tsy hisy olona handeha hiantafika satria ny vahoaka rehetra no iharan’ny fahatezerako.»
15
«Hirongatra eny an-dalambe ny ady, ary ao an-trano kosa ny areti-mandringana sy ny mosary. Ho fatin’ny ady ireo olona any an-tsaha, ary ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana ireo any an-tanàna.
16
Handositra any an-tendrombohitra izay sisa velona; ka samy hitoloko toy ny voromahailala an-dohasaha izy rehetra noho ny heloka nataony.
17
Hiraviravy tanana daholo izy ary halemy lohalika avokoa.
18
Hisikina lamba fisaonana izy ka ho safotry ny horohoro. Hisoritra henatra ny endrika rehetra ary ho voaharatra avokoa ny loha rehetra.
19
Hariany eny an-dalambe ny volafotsiny ary hataony toy ny tain-drendrika ny volamenany satria na ny volafotsy na ny volamena dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO. Tsy hahafa-po azy na hahavoky azy izany satria ny volafotsy sy ny volamena no tonga fototry ny heloka ataony.
20
Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.
21
Havelako horobain’ny vahiny koa ireny sy hofaohin’ny olon-dratsy ho babo rehefa avy nozimbazimbainy.
22
Hiamboho tsy hiraharaha azy Aho ka ilay raki-tsoako no hozimbazimbainy; fa hiditra ao ny jiolahy ka hanimbazimba azy.
23
Manamboara rojo fandrohizana fa feno vonoan’olona ny tany ary feno herisetra ny tanàna.
24
Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon’ny mponina. Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.
25
Ho avy ny tebiteby; hitady fiadanana izy fa tsy hisy.
26
Hifanesy tonga ny antambo ary hifanindry ny filazana loza. Ny mpaminany hitakiana fahitana fa tsy hisy; ny mpisorona tsy manana fampianarana intsony ary ireo loholona tsy manome tolo-kevitra.
27
Hisaona ny mpanjaka, tototra hakiviana ny andriana ary hangovi-tanana ny vahoaka. Hovaliako araka ny fitondrantenany izy ary hotsaraiko araka ny sahaza azy. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.»
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48