bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 16
Ezekiel 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 17 →
1
Ary nisy indray tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
«Ry ilay taranak’olombelona, ampahafantaro an’i Jerosalema fa maharikoriko loatra ny fitondrantenany.
3
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: I Kanahàna no tanin’ny razambenao sy tany nahaterahanao. Amôrita ny rainao ary Hetita ny reninao.
4
Tamin’ny andro nahaterahanao dia tsy nisy olona nanapaka ny tadim-poitranao akory sady tsy nisy nampandro anao tamin’ny rano; tsy nohosorana sira na nohodidinina lamban-jaza ianao.
5
Tsy nisy olona niantra na nangoraka mba hikarakara anao. Fa naharikoriko azy ianao ka natsipiny hitanjaka teo amin’ny tany raha vao teraka.
6
Nandalo teo anilanao Aho ka nahita anao nihosina tao amin’ny ranao. Koa nilaza taminao Aho fa tsy maintsy velona ianao na dia mihosin-dra aza; eny, tsy maintsy velona ianao, hoy Aho taminao.
7
Dia nampitomboiko toy ny zava-maniry eny an-tsaha ianao. Nihalehibe ianao sady nivelatra ka tonga tsara tarehy erỳ: naniry nono sady naniry volo ianao, nefa mbola nitanjaka sy niboridana.
8
Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
9
«Nampandroiko tamin’ny rano ianao hanadiovana ny ra teny aminao sady nohosorako ilomanitra.
10
Nomeko fitafiana vita peta-kofehy sy kapa hoditra tsara ary fehikibo rongony fotsy sy lamba landy ianao.
11
Noravahako firavaka ianao ka nasiako haba ny hato-tananao ary vakana ny vozonao;
12
nametahako kavina ny oronao sy ny sofinao sady nasiako satroboninahitra tsara tarehy ny lohanao.
13
Volafotsy sy volamena ny firavakao, rongony sy landy ary lamba vita peta-kofehy ny fitafianao. Koba tsara sy tantely ary menaka ôliva no sakafonao ka tonga tsara tarehy indrindra ianao ary sahaza ny ho mpanjakavavy.
14
Niely eran’izao tontolo izao ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, fa tena kanto ianao satria nohaingoiko fatratra. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
15
«Kanjo niantehitra tamin’ny hatsaran-tarehinao ianao ka nanararaotra ny lazanao mba hijangajangana ary nanaram-po nijangajanga tamin’izay rehetra nandalo.
16
Nofidinao ireo fitafiana marevaka sasany mba handravahanao ireo toeram-panasinanao, dia nijangajanga teo amboniny ianao. Zavatra tsy tokony hitranga na hisy akory izany.
17
Nalainao ny firavaka volamena sy volafotsy izay nomeko anao ka nampiasainao hanamboarana sampy miendri-dehilahy, dia nanaram-po nijangajanga taminy ianao.
18
Norakofanao ireo fitafiana vita petakofehy izy, dia narosonao teo anatrehany ny menaka sy ny zava-manitra izay nomeko anao.
19
Nataonao fanatitra taminy mba ho hanitra ankasitrahiny ny sakafo rehetra izay nomeko anao, dia ny koba tsara indrindra sy ny menaka ary ny tantely izay nafahako anao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
20
Nalainao koa ireo zanakao lahy sy vavy izay naterakao ho Ahy ka nataonao sorona taminy. Tsy ampy anao angaha ny fijangajangana?
21
Fa tsy maintsy novonoinao ho faty mba hatolotra ny sampy ny zanako!
22
Nandritra izany fiainanao nanaram-po sy nakaloiloy izany dia tsy mba nahatsiaro akory ny fahazazànao ianao, fony ianao nitanjaka sy niboridana sady nihosina tamin’ny ranao.
23
«Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: Lozanao, lozanao, fa rehefa vitanao izany ratsy rehetra izany,
24
dia nanorenanao lampihazo sy nanaovanao toeram-panasinana koa teny amin’ny kianja malalaka rehetra teny.
25
Isaky ny vavalalana dia nanorenanao toeram-panasinana; ary nandoto ny hatsaran-tarehinao teo ianao fa vao mainka nijangajanga bebe kokoa tamin’izay rehetra nandalo.
26
Nijangajanga tamin’ny Ejiptianina nofosana mpifanila aminao ianao ary nampisafoaka Ahy tamin’ny asam-pijangajangana maro.
27
Koa nanampatra ny heriko hamelezana anao Aho: notapahiko ny sakafonao sady natolotro hiaranan’ny fahavalonao ianao, dia ireo tanàna filistinina izay menatra noho ny fitondrantenanao tsy mendrika.
28
Saingy tsy afa-po ny filànao fa nijangajanga tamin’i Asiria koa ianao. Kanefa mbola tsy afa-po ihany ianao.
29
Nanao fijangajangana maro tany amin’ny tanin’ny Babilônianina ianao, dia tamin’ireo mpivarotra; nefa mbola tsy nahafa-po anao ihany.
30
Maimay erỳ ny fonao raha nanao ireny zavatra isan-karazany ireny, tahaka ny fanaon’ireo vehivavy janga tsivalahara. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
31
Nanorina lampihazo isaky ny vavalalana ianao sy nanao toeram-panasinana teny amin’ny kianja malalaka rehetra, nefa tsy nitaky tambiny akory tahaka ny vehivavy janga!
32
Ianao dia mitovy amin’ny vehivavy mpanitsakitsa-tokantrano izay tsy tia vady fa mitady ny an’ny hafa.
33
Ny vehivavy janga dia mila tambiny fa ianao kosa manome tambiny ho an’ireo lehilahinao; eny, nandoa vola taminy ianao mba hiaviany avy eny amin’ny manodidina handry aminao.
34
Hafa noho ireo vehivavy janga ianao raha mijangajanga, satria tsy mba notadiavina na nomena tambiny, fa ianao indray no mandoa vola; ka dia izany mihitsy no mahahafa anao.
35
«Noho izany, ry Jerosalema janga, henoy ny tenin’ny TOMPO.
36
Fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Nahanjahanjanao sy nasehonao tokoa ny fitanjahanao fony ianao nijangajanga tamin’ireo lehilahinao, dia ireo sampinao rehetra maharikoriko; eny, namono ho faty ny zanakao aza ianao ka nanao sorona azy tamin’ireo sampinao.
37
Noho izany, hovoriko mba hamely anao ireo lehilahinao rehetra izay nankamamy anao, na izay tianao na izay halanao. Rehefa vory avy amin’ny manodidina ireo, dia hasehoko azy ny fitanjahanao, ka ho hitany avokoa izany.
38
Hampihariko aminao ny sazy natokana ho an’ny vehivavy manitsakitsa-tokantrano sy mahafaty olona. Hataoko mihosin-dra ianao satria hampiharako ny fahatezerako sy ny hasarotam-piaroko.
39
Hatolotro ho eo an-tanan’ireo lehilahinao ianao, ka horavany ny lampihazonao ary harodany ny toeram-panasinanao; hendahany ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40
Avy eo dia hisy vahoaka hampirisihiny hikomy aminao ka hitora-bato anao sy hitetitetika anao amin’ny sabatra,
41
ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason’ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Hofaranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin’ny lehilahy intsony ianao.
42
Hanamparako ny fahatezerako ianao ambara-pahafaka ny hasarotam-piaroko; amin’izay vao hionona Aho ka tsy hisafoaka intsony.
43
Satria tsy nahatsiaro izay vitako taminao fony fahazaza ianao fa nampahatezitra Ahy tamin’ireo ratsy rehetra ireo, dia hatambesatro aminao ny vokatry ny fitondrantenanao! Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Moa tsy nanao izany toetra tsivalahara izany ve ianao ho fanampin’ny fanompoan-tsampy rehetra vitanao?»
44
«Ry Jerosalema, hamely anao ny mpanao ohabolana rehetra ka hiteny hoe: ‹Manahaka an-dreniny ihany ny zanany vavy.›
45
Hay tokoa moa ianao no zanakavavin-dreninao, dia ilay vehivavy nankahala ny vady aman-janany. Mitovy amin’ireo rahavavinao izay nankahala ny vady aman-janany ianao. Hetita ny reninareo ary Amôrita ny rainareo.
46
I Samaria any avaratra mbamin’ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sôdôma ao atsimo mbamin’ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.
47
Tsy nionona fotsiny tamin’ny fakana tahaka ny fitondrantenany sy ny fomba maharikoriko nataony ianao, fa kely ihany raha izany! Saingy ratsy lavitra noho ny azy ny fitondrantenanao manontolo.
48
Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa i Sôdôma rahavavinao sy ireo zana-bohiny dia tsy mbola nanao ratsy tahaka anao sy ireo zana-bohitrao.
49
Ireto monja no hany fahadisoany: niaina tamin’ny avonavona sy ny fihinanam-be ary ny toetra bonaika tsy miraika izy fa tsy namonjy ny mahantra sy ny fadiranovana.
50
Niavonavona sy nanao zavatra maharikoriko teo anatrehako izy; ka nofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany araka ny fantatrao.
51
Ary i Samaria ihany koa dia tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana nataonao akory! Maharikoriko lavitra noho izay vitany no nataonao. Koa i Sôdôma sy i Samaria rahavavinao dia toa tsy manan-tsiny raha ampitahaina aminao!
52
Koa zakao ny fahafaham-baràkanao fa nanamarina ireo rahavavinao ianao tamin’ny nanaovanao fahotana maharikoriko kokoa noho ny azy, ka toa miseho ho marina eo anatrehanao izy izao. Mba menatra kosa ianao ka zakao ny fahafaham-baràkanao noho ny nampisehoanao ireo rahavavinao ho toa marina!
53
Hamboariko ireo tanàna ireo: haveriko amin’ny laoniny ny fiainana ao Sôdôma sy ireo zana-bohiny ary ny ao Samaria mbamin’ny zana-bohiny; ary haveriko amin’ny laoniny tahaka azy koa ianao eo afovoan’ireo.
54
Hionona ireo rahavavinao raha mahita anao menatra sy afa-baràka tamin’izay rehetra nataonao.
55
Hiverina amin’ny laoniny taloha i Sôdôma sy i Samaria mbamin’ireo zana-bohiny; ary ho tahaka izany koa ianao sy ireo zana-bohitrao.
56
Tamin’ny andro mbola nireharehanao dia fanarabiana no niresahanao an’i Sôdôma rahavavinao.
57
Talohan’ny nisehoan’ny faharatsianao an-karihary izany. Anjaranao kosa izao no latsain’ireo tanàna edômita sy ny zana-bohitra rehetra manodidina ary vingavingain’ireo tanàna filistinina etsy sy eroa.
58
Izany no hizakanao ny vokatry ny fitondrantenanao tsivalahara sy maharikoriko. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
59
«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Tsy noraharahainao ny fianianana nataonao fa nivadika tamin’ny fanekempihavanako ianao; koa araka izany no hataoko aminao.
60
Izaho anefa tsy hivadika amin’ny fanekempihavanana izay nataoko taminao tamin’ny andron’ny fahatanoranao fa hanova azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
61
Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan’ny zavatra nanaovako fanekempihavanana taminareo aza izany.
62
Hohavaoziko ny fanekempihavanako aminao, ka dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.
63
Amin’izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin’izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48