bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezekiel 21
Ezekiel 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 22 →
1
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2
–Ry ilay taranak’olombelona, atodiho mianatsimo ny fijerinao, ka mitenena manandrify ny atsimo ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny alan’i Negeba.
3
Asaivo mihaino ny tenin’ny TOMPO izy, satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: «Indro Aho handrehitra afo izay handevona ny hazonao rehetra na ireo mirobona maitso na ireo efa maina. Tsy hisy afaka hamono ny lelafo midedadeda fa hihanaka avy any atsimo ka hatrany avaratra izany, ka ho may avokoa ny tarehin’ny olona rehetra.
4
Dia ho hitan’ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no nandrehitra io afo io ka tsy misy afaka hamono azy.»
5
Fa namaly Azy aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, efa mimenomenona amiko ny olona ka manao hoe: «Tsy miteny afa-tsy ankamantatra izy!»
6
Fa nisy indray tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
7
–Ry ilay taranak’olombelona, atodiho mankany Jerosalema ny fijerinao, ka mitenena miantefa amin’ny Toeramasiny, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny tanin’i Israely.
8
Ambarao amin’ny tanin’i Israely fa izao no lazain’ny TOMPO: «Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ary hanatsoaka ny sabatro amin’ny fitoerany ka haringako na ny olo-marina na ny olon-dratsy eo aminao.
9
Ny handringanako ny olo-marina sy ny olon-dratsy eo aminao no hanatsoahako ny sabatro amin’ny fitoerany, hamelezany ny olona rehetra hatreo atsimo ka hatrany avaratra.
10
Dia hoeken’ny olona rehetra amin’izay fa Izaho TOMPO no efa nanatsoaka ny sabatro tamin’ny fitoerany ka tsy hampiditra azy ao intsony.»
11
Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, mitolokoa noho ny havesatry ny fahadisoam-panantenana; eny, mitolokoa eo imason’izy rehetra.
12
Dia hanontaniana anao ny antony itolokoanao ka hovalianao hoe: «Vaovao ratsy no reko ary ho tonga izany. Ho kivy fo sy hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketra-panahy sy halemy lohalika. Indro tonga izany ary tanteraka, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY.»
13
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
14
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao ka ambarao amin’ny olona fa izao no lazain’ny TOMPO: ‹Indro misy sabatra, dia sabatra voaranitra sady mangirana!
15
Noranitina handringanana olona izy natao mangirana hanjelanjelatra.
16
Nomeko hatao mangirana izy mba ho azo arangaranga; noranitina sy natao mangirana izy mba hatolotra ny mpandringana.
17
Miantsoa vonjy ianao ary midradradradrà, ry ilay taranak’olombelona, satria izany sabatra izany dia mihatra amin’ny vahoakako; iharan’io sabatra io koa ny mpitondra rehetra eto Israely, ka ho ringan-tsabatra miaraka amin’ny vahoakako ireo. Koa aoka ianao handondon-tratra
18
noho ny alahelo aterak’izao fitsapana izao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
19
Ankehitriny, ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry ilay taranak’olombelona, ka mitehafa tanana ho fanaingana: Ho indroa na intelo heny anie no hahaloza ny velin-tsabatra, dia ilay sabatry ny fandringanana goavana izay manemitra hatraiza hatraiza.
20
Mba hampivalaketraka ny fon’ny olona sy hampivembena ny besinimaro dia napetrako isam-bavahady ny sabatra fandringanana, ka manjelanjelatra toy ny tselatra sady efa voavoatra hamono.
21
Ry sabatra maranitra ô, kapao mihodin-kavanana sy mihodin-kavia, na aiza na aiza voatendry hamelezanao.
22
Izaho koa dia hiteha-tanana ho fanaingana ary dia hanampatra ny fahatezerako. Izaho TOMPO no manambara izany›. »
23
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
24
«Ry ilay taranak’olombelona, sorito ny lalana roa izay hahazoan’ny mpanjakan’i Babilôna ho tonga ombàn-tsabatra. Ataovy samy miainga amin’ny tany iray ihany ireo lalana roa ireo. Isaky ny vavalalana dia mariho ny tanàna izay halehany.
25
Ny iray amin’ireo lalana ireo dia hitondra ny tafika babilônianina ho any Rabà, tanànan’ny Hamônita; fa ny iray kosa ho any Jerosalema, tanànamimanda any Joda.
26
Hijanona eo am-bavalalana iaingan’ireo lalana roa ireo aloha ny mpanjakan’i Babilôna mba hanao sikidy. Hahontsankontsany ny zana-tsipîka, hanontaniany ny sampy ary hohadininy ny atin-kenam-biby.
27
Ny zana-tsipîka manondro an’i Jerosalema dia nianjera teo an-kavanany. Koa hanandra-peo hanao akoran’ady izy ary hampametraka ny kanontabe hamelezana ny vavahadin-tanàna, hampanangana ny tovon-tany ary hampandavaka ireo hady fanafihana.
28
Hihevitra ny olona ao Jerosalema fa tsy misy dikany ny sikidy satria voaaron’ny fianianana natao izy. Nefa ny mpanjakan’i Babilôna dia hampahatsiaro azy ny fivadihany ka mampandre fa hoentina ho babo ireo.
29
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mampahatsiaro Ahy tsy tapaka ny helokareo ianareo amin’ireo fikomianareo an-karihary; ary ny asa rehetra nataonareo no mampiseho ny fahotanareo. Noho ianareo nanao izay hahatsiarovana anareo toy izany, dia hosamborin’ny fahavalo tokoa ianareo!›
30
«Ary ianao, ry printsy filohan’i Israely sady olon-dratsy mpamadika, tonga ny andro hifaranan’ny fanaovanao heloka.
31
Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Halaina aminao ny marika maha mpanjaka anao, ary hoesorina ny satro-boninahitrao. Fa nivadika ny toe-javatra: ny olona ambany no hasandratra, ary ny olona ambony no haetry.
32
Faharavana, faharavana, faharavana: hataoko toy izany i Jerosalema. Ho potika tanteraka ny tanàna, saingy tsy alohan’ny hahatongavan’ilay homeko fahefana hanafay azy ›. »
33
Dia nampian’ny Tompo hoe: «Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, mijoroa ho mpaminany ka ambarao amin’ny Hamônita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY hamelezana azy ary ho setrin’ny fandatsana nataony tamin’i Israely: ‹Efa ao ny sabatra, dia sabatra voatsoaka hahafaty sy handringana ary sabatra natao mangirana hanelatselatra.
34
Raha fahitana manodoka sy fanambarana mamitaka no aroso aminareo, dia efa vonona hanapaka ny vozon’ny mpamadika sy ny olon-dratsy izany; satria tonga ny andro hifaranan’ny fanaovany heloka.
35
Ankehitriny ampidiro amin’ny fitoerany ny sabatrareo; fa eo amin’ny toerana izay namoronako anareo sy nahaterahanareo no hanafaizako anareo.
36
Hatosako aminareo ny fahavinirako ary hampihariko aminareo ny fahatezerako mirehitra, ka hatolotro eo an-tanan’ny olon-doza mpamorona fandravana ianareo.
37
Ho levon’ny afo toy ny kitay ianareo, handriaka amin’ny tany ny ranareo, ary dia tsy hisy hahatsiaro anareo intsony. Izaho TOMPO no manambara izany ›. »
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48